Dans la męme rubrique

Fiara laharana vahiny sy “WW” 4587 no voasava tao anatin’ny 5 andro

28/09/2020

Notanterahina ny 21-25 septambra 2020 teo ny fanatanterahana ny hetsika fisavana na “operation” an'ireo fiara mitondra ny laharana "WW" sy ireo fiara mitondra laharana vahiny ary ireo fiara efa mitondra laharana gasy.

Fiara laharana vahiny sy “WW” 4587 no voasava tao anatin’ny 5 andro

Hamaky ny tohiny...

Taxi be tsy manaja fepetra Tokony mandray andraikitra ny koperativa

28/09/2020

Raha ela indrindra, herinandro no voahaja ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana rehetra amin’ireo taxi be , fiara fiitateram-bahoaka eto Antananarivo.Inona moa izany ?

Taxi be tsy manaja fepetra Tokony mandray andraikitra ny koperativa

Hamaky ny tohiny...

Air Madagascar Tsy avelan’ny Frantsay miditra any aminy

28/09/2020

Namoaka fampitam-baovao sy hafatra ho an’ny mpanjifa ny Kaompania Air Madagascar omaly, fa nofoanana ny sidina MD050 tokony hihazo an’i Paris France anio alatsinainy 28 septambra.

Air Madagascar Tsy avelan’ny Frantsay miditra any aminy

Hamaky ny tohiny...

Toby fiantsonana Fasan’ny Karana Tafapetraka ny tonelina fidiovana

28/09/2020

Tafapetraka eny anivon’ny tobim-piantsonan’ny Fasan’ny Karana ny sabotsy teo ny « tunnel désinfectant » na tonelina fidiovana sy ireo afisy ahitana ny saran-dalana ara-dalàna ho an’ireo zotra rehetra miasa ao aminy,

Toby fiantsonana Fasan’ny Karana Tafapetraka ny tonelina fidiovana

Hamaky ny tohiny...

RN 32 Ahiana ho tapaka ny lalana

28/09/2020

Tsy vao izao no nikaikaika ny faharatsian` ny lalana ao amin` ny faritra SOFIA ny mponina any an-toerana. Ny lalĂ m-pirenena faha-32 izay mampifandray an` Antsohihy amin` i Mandritsara,

RN 32 Ahiana ho tapaka ny lalana

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina tany Ambatolampy 3 maty teo noho eo, nisy tapa-doha

22/09/2020

Olona miisa 3 no maty teo noho eo vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo Amboniriana Ambatolampy Lalam-pirenena faha-7 na RN7.

Loza mahatsiravina tany Ambatolampy 3 maty teo noho eo, nisy tapa-doha

Hamaky ny tohiny...

Fiara WW sy laharana vahiny Manomboka ny fitsirihana sy savahao

22/09/2020

Natomboka omaly 21 septambra 2020 manerana ny Nosy ny hetsika ho fampanarahan-dalĂ na ireo fiara mitondra laharana WW sy laharana vahiny tsy ara-dalĂ na.

Fiara WW sy laharana vahiny Manomboka ny fitsirihana sy savahao

Hamaky ny tohiny...


Fifamoivoizana

Kaoperativa etsy Ambodivona Mangataka ny hijanonan’izy ireo ao ambadiky ny Total

11/09/2019

Ny toerana ao ambadiky ny Total etsy Ambodivona no toerana efa mahazatra ireo kaoperativa izay tadiavina hafindra toerana eny Andohatapenaka, ny 20 septambra ho avy izao.

 

 

Tsy mandà ny fanesorana sy fanalana azy ireo na afidra toerana ireto kaoperativa amin’ny trano hazo ireto fa mila atao ara-dalàna, satria misy ny esorina ary misy ny mijanona eny. Nambaran’ireo “guichetier” etsy Ambodivona, fa mahatratra 20 ireo kaoperativa trano hazo no esorina, fa ny 7 kosa tsy voakasika. Ireto farany izay voalaza fa kaoperativa manara-penitra ary tsy voakasiky ny famindrana, hoy izy ireo. Tsy misy ambony lalàna fa rehefa miala ny kaoperativa  trano hazo dia miala hatramin’ireo 7 voalaza ireo. Ny kaoperativa mitatitra any amin’ny RN1, RN4, RN6 no efa nifidra eny Andohatapenaka. Ireo kaoperativa mitatitra amin’ny RN2 kosa ireo hafindra ireo, saingy, tsy manaiky ny hialà izy ireo, fa mangataka ny hijanonan’izy ireo ao ambadiky ny Total Ambodivona, izay toerana efa nahazatra azy ireo hatramin’ny taona maro, hoy hatrany ny fanazavana. Mahatsiaro ho maty antoka izy ireo, raha mifindra eny Andohatapenaka, hoy ny tatitra azo, satria ireo mpajifany no mamelona ny kaoperativa, hany ka lasa mifindra fiara hafa rehefa mifidra eny amin’ny toby fiantsonana Makis. Fandaminana sy fanatsarana ny fitaterana no hatao, hoy ny teo anivon’ny ministeran’ny fitaterana sy ny ATT. Tokony hanaiky izay fandaminana izay ireo kaoperativa etsy Ambodivona ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo.

 

Sitraka r.    

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana