Dans la mme rubrique

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

29/09/2020

Nanomboka omaly 28 septambra-04 oktobra ny hetsika fanentanana ny daholobe hiompy sy hanao vaksiny ny alika, ka isan’ny miantsoroka sy manome vahana izany ny Minisiteran’ny fahasalamana. Isan’ny paikady misoroka aretina maro ho an’ny alika ny famosirana azy.

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

ANKADIKELY ILAFY Jiolahy 7 nirongo basy nanafika tokantrano

11/09/2019

Fahitalavitra fisaka na “écran plat”, lelavola 200 000 ariary, solosaina fitondra mandeha na “ordinateurs portables” roa amin’ilay hika farany, finday avo lenta enina,

 

 

kara-panondro sy karatra fisintomam-bola amin’ny banky no lasan’ny jiolahy fito nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, nanafika tokantrano iray teo Ankadikely, amin’ny fokontany Mandrosoa. Sasakadiny taorian’ny fanafihana mirongo basy poleta roa vao nahazo antso ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandary avy ao an-toerana ka tsy hita ny nanjavonan’ireo malaso.

Mitohy ny fanadihadiana, tamin’ny fotoana nanoratana ny vaovao, tsy mbola nisy tratra ireo olondratsy  raha ny resaka nifanaovana manokana tamin’ireo mpitandro filaminana any ‘an-toerana. Tamin’ny sabotsy alina hifoha alahady teo no nitranga ny fanafihana, sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany izay efa tao anaty torimaso tanteraka ny lasibatra sy ny mponina eo amin’ny manodidina teo amin’io Mandrosoa izay ao amin’ny distrikan’Avaradrano io. Ankoatra ny basy, nitondra zava-maranitra sy karazana vy famakiana trano koa ireo jiolahy. Nidina tany ifotony sy mandray an-tanana ny tohin’ny raharaha ny borigadin’ny zandary avy ao Ankadikely.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana