Dans la mme rubrique

Elakelan-trano

21/04/2020

Ny ankamaroan'ny elakelan-trano eto an-drenivohitra toa an' Anosibe,Anosizato,Anosipatrana,ilanivato dia feno olona milalao baolina, loto, feno mpivarotra. Ny tsikaritra koa dia maloto tanteraka ny tanana

Elakelan-trano

Hamaky ny tohiny...

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

14/04/2020

Nidoboka am-ponja any Amiens ilay tovolahy malagasy izay namono nahafaty ny sipany.

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

11/04/2020

Hentitra ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo amin’ny fampanajana ny fihibohana izay hita ho goragora.

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

Hamaky ny tohiny...

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

11/04/2020

“Nahafaly ahy ny nanatrika ny fizaran-tsakafo teo Ankazomanga sy Antohomadinika, niarahana tamin'ny CRA.

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Hamaky ny tohiny...

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

10/04/2020

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny mpanao politika sady mpanao gazety Gilbert Raharizatovo.

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

Hamaky ny tohiny...

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

11/09/2019

Nisy namono ny lehilahy iray, raim-pianakaviana izay nandeha namonjy fiandrasam-paty.

 

 

 

 Tetsy Namontana no niseho izany ary nihorohoro ny mponin’Anosibe iray manontolo raha nahita ny razana vao maraina. Teo akaikin’ny tanimboly no hita izany ary efa nikirozaroza ny tendany. Manambady ary manan-janaka roa ilay olona novonoina. Ankoatr’izay dia fantatra fa vola latsaky ny iray alina ariary miampy radio kely mba fihainoan’ilay rangahy no tsy hita teny aminy intsony.

VITSY LOATRA NY KANDIDA

Kivy hatramin'ny CENI ankehitriny mahakasika ny fifidianana Ben'ny tanàna izay hatao atsy ho atsy. Sarotra ny mamolaka ny fisainan'ireo mpirotsaka hofidiana ny mba hametraka ny taratasy mialoha fa tsy miandry farany foana, raha araka ny fanamarihan’izy ireo. Ny alakamisy izao no fe-potoana farany kanefa hatreto dia hita miandry ora farany hatrany ny olana..

HAFANA KELY NY ANDRO

Izay vao hanomboka hafanafana kely ny andro, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Efa mihamisinda ny hatsiaka saingy any amin'ny volana oktobra any mihitsy vao tena hifarana ny ririnina. Volana novambra kosa vao hiditra ny fotoam-pahavaratra. Izany rehetra izany dia mbola vokatry ny fikorontanan’ny toetry ny andro vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Isika dia anisan’ny tena mizaka izany satria  betsaka tavy sy fanimbàna hazo kanefa tsy mamboly na mamerina izay simba.

SOLOMASON’INGAHY FILOHA

Vao mianatra mampiasa solomaso mihitsy ny filoha ka tena hita sahirana mihitsy mampiasa azy. teo am-panaovana kabary fisaorana ny vahoaka Malagasy izy no hita fa mbola mitavozavoza nanao azy. Asa na zesta na tena aretimaso tokoa moa izy ity.

MPIADINA BEPC

 Niakatra ambony be ny isan'ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana Bepc. Efa manodidina ny telo arivo no tsy tonga manerana ny nosy. Tao amin’ny lisea Ampefiloha dia efa tafikatra 271 ireo mpiadina izay tsy tonga. Ny tsy fahavitan'ny ray aman-dreny ny fandoavana ny ekolazy hatramin'ny farany ka tsy nahazoan'ireo mpianatra taratasy fiantsoana no anisan’ny antony. Efa ho 11 volana mantsy ny taom-pianarana  tamin’ity ka marobe no tsy nahaloa intsony. Mampalahelo tanteraka ny ankizy malagasy…

 

KANDIDA I FERNAND CELLO

Nametraka ny taratasy filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanàna ao Ilakaka ny mpanao gazety Fernand Cello. Io farany izay anisan’ny narovan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra fa ny vondrona eoropeanina noho ny fahasahiany namoaka ny tsy mety tamin’ny haino aman-jery, mahakasika ny fitrandrahana tsy ara-dalàna tao an-toerana. Nohidina am-ponja mihitsy ny lehilahy tamin’izany fotoana ary nandritry ny fotoana ela. Ankehitriny izy dia nanana fijery politika izay miady amin’ny tsy rariny ka nahatonga azy hilatsaka ho ben’ny tanàna.

FITOHANANA

Miverina sahady ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra omaly. Niditra ny mpianatra ary tsy vitan’izay fa ireo izay namboarina dia mbola misy tsy fahatomombanana ary notohizana indray ny fikitihana. Efa ho tapa-taona izay ny olona teto an-drenivohitra no niaritra ny fanamboarana sy ny fitohanana. Ny mampalahelo dia efa misy amin’ireo làlana vita no efa miverina ho simba sahady indray.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana