Dans la mme rubrique

Fanenjehana mpitondra ambony Manasarotra ny fampiharana lalàna ny depiote

28/02/2020

Miandry ny tena fanombohan’ny asan’ny Fitsarana Avo (HCJ) aloha ny olom-pirenena. Ny 20 febroary lasa teo ny lanonana ara-pitsarana fianianan`ireo mpikambana ao anatin`ny Fitsarana avo (HCJ).

Fanenjehana mpitondra ambony Manasarotra ny fampiharana lalàna ny depiote

Hamaky ny tohiny...

Moussa Soalihy “Tsy mora ny mitantana firenena.”

28/02/2020

Amin’ny fitondrana firenena dia ilaina ny fisian’ny mpanohitra sy tsikera, hoy ny sekretera jeneralin’ny faribolam-pandinihana Miozolimanina, Moussa Soalihy.

Moussa Soalihy “Tsy mora ny mitantana firenena.”

Hamaky ny tohiny...

Honoré Rasolonjatovo “Mibaribary ny fitiavan-tseza ataon`ny HVM sy TIM”

28/02/2020

“Hitantsika ny zava-misy amin`izao. Manao fanoherana bontolo fotsiny ny antoko HVM syTIM”,

Honoré Rasolonjatovo “Mibaribary ny fitiavan-tseza ataon`ny HVM sy TIM”

Hamaky ny tohiny...

Lalàmpanorenana Maro ireo andininy miteraka adihevitra

28/02/2020

Voafaritra ao anivon`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2020 fa hiatrika fitsapan-kevi-bahoaka isika eto Madagasikara amin`ity taona ity.

Lalàmpanorenana Maro ireo andininy miteraka adihevitra

Hamaky ny tohiny...

Fanonganana Tsy mbola afa-doza ny praiminisitra…

28/02/2020

Efa iny niaraha-nahalala iny ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra nampiantso fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemanta roa tonta manomboka ny 4 martsa izao.

Fanonganana Tsy mbola afa-doza ny praiminisitra…

Hamaky ny tohiny...

Filoha Rajoelina Nidina be ny taham-pankafizan’ny olona azy

28/02/2020

Tsy mahafantatra.izay tena laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka Malagasy ny fitondram-panjakana, raha jerena amin’ny fomba fiasany.

Filoha Rajoelina Nidina be ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Olivier Rakotovazaha -MFM “Tsy mampino hoe izao fitondrana izao no hamerina ny Iles Eparses”

28/02/2020

Naneho ny fahitany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Olivier Rakotovazaha, ny antoko politika MFM.

Olivier Rakotovazaha -MFM “Tsy mampino hoe izao fitondrana izao no hamerina ny Iles Eparses”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rodoben’ny mpanohitra « Hamerina ny hasin’Antananarivo »

11/09/2019

Rehefa nivory sy nandinika mikasika ny tokony hametrahana ny tena fanoherana eny anivon’ny antenimieram-pirenena mbola tsy voapetraka hatramin’izao miampy ny fahatsapana ny sakatsakana atao amin’ny fipetrahan’ny fanoherana tena izy eto amin’ny firenena ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto

 

 

Madagasikara na RMDM dia nanapa-kevitra fa hanolotra ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo. Tsy fitokisana teny amin’olon-tokana akory io fanapahan-kevitra io na adalana fa haintsika ny tantara fa nanapaka foana i Antananarivo hatramin’izay nahazoantsika fahaleovantena, hoy ny filohan’ny antoko politika MCDM, Alain Andriamiseza. Antananarivo no nametraka izay tiany hitarika ny fanoherana. Tsy nifidy olona akory i Antananarivo raha nanao izany fa tsiahivina fa nisy olona avy any amin’ny faritra lany teto amin’ny firenena. Na solombavambahoaka na mpanolontsain’ny tanàna dia tsy nialon-jafy  Antananarivo, hoy izy. Hijoro hanohana ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, ny fanoherina noho izany hamerenana ny hasin’Antananarivo. Tsy moramora ny nandresy lahatra ny filoha Ravalomanana, hoy kosa ny fanamarihan’ny filohan’ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa. Ny alakamisy izao amin’ny 10 ora moa no hanatitra ny taratasim-pilatsahan-kofidiana ity kandida tohanan’izy ireo ity raha ny fanamarihan’ny Pasitera Edouard Tsarahame, nandritr’ity fanambaran’ny RMDM tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina omaly ity.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana