Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Kandidan’ny mpanohitra

11/09/2019

Rahampitso alakamisy amin’ny 10 ora maraina no hanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra eny amin’ny OVEC Nanisana,

 

 raha ny nambaran’ireo mpikambana ao anatin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM teny amin’ny Hotely Le Louvre omaly. Rehefa nandinika, namakafaka ary nahatsapa ny olana misy amin'ny fametrahana ny mpanohitra eto Madagasikara sy ny fanakantsakanana ny fisian'ny mpanohitra tena izy, mifanaraka amin'ny safidin'ny vahoaka sy ara-dalàna ny Rodoben'ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), dia manolotra ny filoha Marc Ravalomanana ho kandida Ben'ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Tsy mora ny nandresy lahatra azy fa adim-pamantaranandro maro ny adihevitra, hoy ny fanazavana. Efa filoha voafidim-bahoaka in-droa nisesy. Laharana faharoa tamin’ny fifidianana filoha farany teo, kanefa handeha hanao ben’ny tanàna. Rehefa noresena lahatra anefa izy fa mila olona mahay mifehy azy, afaka hampivoatra azy Antananarivo noho izy fitaratr’i Madagasikara dia nanaiky ny tenany. Fony izy ben’ny tanàna (1999-2001) dia nisy fandrosoana sy fivoarany ka nanaiky ny hiverina ifotony i Marc Ravalomanana, hoy ny RMDM. Maro ireo dian-tanany eto Antananarivo fony izy ben’ny tanàna sy filoha, raha tsy hilaza afa tsy ny lalàn’Anosibe, iny amoron’Anosy sy Saint Michel iny, Boulevard de l’Europe … Hatramin’ny nahazoana fahaleovantena, dia nanapaka foana Antananarivo nametraka ny olona heveriny fa ho lehiben’ny fanoherana ary matetika io dia mbola lasa mahazo toerana tsara kokoa noho izany. Nambaran’izy ireo fa tsimialonjafy Antananarivo ka misokatra ho an’ny rehetra ny fifanomezan-tanana hanohanana an’i Marc Ravalomanana. 20 taona eo ho eo aty aorian’ny nidirany voalohany tamin’ny politika, dia hiverina hitondra an’Antananarivo indray izy raha voatazona ny lojika politika nisy teto hatrizay. Saika ny avy amin’ny fanoherana foana no mahazo an’Antananarivo ary efa tratran’izany ny avy amin’ny antoko TIM ny taona 2007 fony izy no filoham-pirenena, ka nandresen’i Andry Rajoelina an’i Hery Rafalimanana tamin’izany. Nambara fa ny vahoakan’Antananarivo no nanongana azy ny taona 2009. Ny taona 2015 anefa, dia nitsimbadika indray ny rasa, ka lasa ben’ny tanàna Rtoa Lalao Ravalomanana. Nandresy foana ny TIM tamin’ireo fifidianana rehetra nisesy taorian’izay : filoha, solombavambahoaka …

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana