Dans la mme rubrique

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

06/09/2019

Ho fampivoarana sy ho fampiroboroboana ny fiofanana arakasa dia tanora miisa 25 no halefan’ny orinasal Base Toliara handranto fianarana any Kenya.

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

05/09/2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny tokony hifehezana ny teny Anglisy eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao mantsy dia saika mitaky ny fahaizana io teny vahiny io avokoa ireo orinasa maro.

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

Hamaky ny tohiny...

Faritra Anosy Mila ezaka be amin’ny fambolen-kazo

05/09/2019

Noraketina tanatin’ny boky mihitsy ny antontan-kevitra rehetra voaray izay avadika fandaharan’asa amin’ny fambolen-kazo ho an’ny faritra Anosy.

Fanorenana sy asa vaventy Tsy ampy ny akora fototra ny hamokarana simenitra

04/09/2019

Mbola maro ny akora fototra hafarana any ivelany amin’ny fanamboarana ny simenitra hoy ny fanambaran’ny tompon’andraikitry eo anivon’ny Holcim,Patrick Rajaonarivelo.

Fanorenana sy asa vaventy Tsy ampy ny akora fototra ny hamokarana simenitra

Hamaky ny tohiny...

Fanaovana maloto ankalamanjana Mbola za-dratsy ny Malagasy

04/09/2019

Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo sy ny UNICEF ary ny masohivohon‘i Korea tetsy Ampandrianomby.

Fanaovana maloto ankalamanjana Mbola za-dratsy ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

10/09/2019

Hisy ny fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny Havila School etsy Mamory Ivato sy ny Business & Hotel Management School na BHMS avy any Soisa, araka ny fampahafantarana omaly tetsy amin’ny Hôtel Pietra Analakely.

 Ny taona 2015 no nisokafan’ny Havila School izay naorin’ny chef Toky Andriantsitohaimanantena na Chef Toky Ramà. Niantomboka tamin’ny fampiofanana momba ny lakozia sy ny mofomamy ary niitatra tamin’ny Art culinaire, Art de la table, “hôtellerie” sy fizahantany ary “evenementiel” taty aoriana.  Toeram-piofanana ao anatin’ny vondrom-pampianarana Benedict anisan’ny lehibe indrindra any Eoropa niorina ny 1928 raha ny 1998 kosa ny BHMS, manana foibem-pampianarana miisa 5, misy mpianatra avy amina firenena 90. Noho izao fiaraha-miasa izao, dia afaka ny hiofana any amin’ny BHMS any Soisa ireo mpianatra nahavita taom-pianarana roa taona ao amin’ny Havila School izay mahafeno ny fepetra. Hiitatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fampiofanana ireo mpianatra ao amin’ny Havila School. Hanomboka amin’ny volana novambra dia efa hisy  mpianatra hanohy fianarana any Soisa ka diplaoma iraisam-pirenena no ho azony rehefa vita ny fiofanana. Manome toky rahateo ity sekoly ambony any an-toerana ity fa hanome asa ireo mpianatra rehetra nahavita fiofanana. Ankoatra izay, tao anatin’ny volana maromaro ny fiaraha-miasan’ny Hôtel Pietra sy ny Havila School, hoy Atoa Landry Rakotondrainibe, talen’ny Vondrona IGP izay misy ny Hôtel Pietra. Mandefa mpianatra manao fiofanana arak’asa na “stage” momba ny hotélerie, fahaizana mandray vahiny,... Mifameno ny an-daniny sy ny an-kilany. Herintaona sy tapany izay ny  Hôtel Pietra etsy Analakely fa tsy ho ela ihany koa dia hisokatra ny  Hotel Pietra ao Fianarantsoa. Tanjona ny hisian’ny Hotel Pietra 7 na 8 eto Madagasikara ao anatin’ny 5 taona, ary maniry ny hanitatra hatrany ampitan-dranomasina izy ireo, raha ny fanazavana.

Toky R

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana