Dans la mme rubrique

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

13/09/2019

Antoko manana solombavambahoaka voafidy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ny GJMP « Groupement des jeunes Malgaches Patriotiques” tarihako, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas.

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

13/09/2019

Tontosa omaly tetsy amin’ny OVEC 67Ha ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’i Tovo Rakotojohary, fantatry ny rehetra eo amin’ny tontolon’ny hazakaza-piarakodia na Rallye amin’ny fiantsoana hoe Tovonen.

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

13/09/2019

Kandida ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina Antehiroka amin’ny anaran’ny antoko TIM Atoa Rajaonera Samy Andrianavalomalala. Tafapetraka teny amin'ny OVEC ny alarobia 11 septambra teo ny taratasy filatsahan-kofidiana miaraka amin’ireo lisitry ny mpanolotsaina TIM miara-dia aminy.

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

Hamaky ny tohiny...

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

13/09/2019

Nitohy tamin’ny alalan’ny fanaovana didimpoitra maimaimpoana, ny fanaovana asa sosialy efa fanaon’ny antoko Tiako I Madagasikara, eny Ambohimangakely hatramin’izay.

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

13/09/2019

Niova endrika tanteraka ny tontolo politika ho amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra. Olona tsy mbola re firy tamin’ny politika no natolotry ny antoko 2 sokajiana ho goavana ho kandida ben’ny tanàna dia i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

13/09/2019

Kaominina 560 amin’ny 1695 manerana an’i Madagasikara no tsy misy kandida, kaominina 1369 nahitana lisitra kandida mpanolotsaina fotsiny; ny any ambanivohitra no tena tsy narisika ireo kandida.

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Imbiki Herilaza « Fametrahana ny demokrasia no zava-dehibe »

10/09/2019

« Maro ireo lesona azo raisina nandritra ny kabarin`ny Papa Fransoa ary tokony horaisina na ny fitondram-panjakana na ny vahoaka Malagasy », hoy Imbiki Herilaza, mpahay lalàna.

 

Nazava ny kabarin ny Papa Ray Masina fa niompana amin ny fitsinjovana ny mahaolombelona, ny tontolo ara-boajanahary ny maha Malagasy. Mino koa izy fa hisy vokatra amin’izao fandalovan ny papa izao indrindra eo amin`ny tontolo politika. Mafampana mantsy ny tontolo politika tato ho ato. Nambarany fa ilay fifanajana sy fifampihainoana ary ny fametrahana ny demokrasia no tena zava-dehibe azo raisina voalohany amin`izao. Tokony hifampihaino ny mpitondra sy ny mpanohitra satria firenena hikambanana izy ity  ary ny Papa Ray Masina aza dia efa nahatsapa sy nitondra izay hafatra izay.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana