Dans la mme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ady amin’ny halatra omby Miandrandra « drône » ny mponin’i Menabe

09/09/2019

Ankoatra ny «puce», miandrandra tanteraka ireo fitaovan’ny teknolojia tahaka ny « drône » fanaraha-maso ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny halatra omby ireo mponina ao amin’ny faritra Menabe.

 

 

 

 Misoko mangina toa roan-gisa izy io, tsy azo lazaina milamina tanteraka amin’iny faritra iny. Velom-bolo ireo olona tamin’ny fampanantenan’ny fampielezan-kevitra ny amin’ireo paik’ady “hiaka farany” amin’ny fisorohana sy fitsaboana ny asan- dahalo, ny fanatanterahana izany sisa andrandrain’izy ireo. Vao tamin’ity herinandro ity mantsy, omby 30 tamin’ireo no tafaverina amin’ny tompony, araka ny ezaky ny Tafika Malagasy mpampandry tany ao amin’ny ZRPS Bravo sy ny fokonolona ny voalohan’ny volana septambra teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro tao Ankilatsy, fokontany Beteva, distrikan’i Miandrivazo. Tonga nankahery sy nisaotra izao ezaka izao ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Miandrivazo. Tsy any Menabe irery no miandrandra ireo fitaovana teknolojika entina iadiana amin’ny asan-dahalo fa saika ireo faritra manerana ny Nosy. Manantena ny olompirenena fa tahaka izao fihetsiketsehana sy fampiasana “camera de surveillance” amin’ny fitsidihin’ny papa ray masina izao ihany koa no ho ezaky ny mpitandro filaminana amin’ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana