Dans la męme rubrique

Madagasikara Tanora 4 tapitrisa no tsy an’asa

13/09/2019

Miisa 500 ireo tanora nahazo asa teo no ho eo nandritra ny andiany voalohany tamin'ny hetsika seraben'ny asa natao teto Antananarivo tamin'ny volana jona teo.

Madagasikara Tanora 4 tapitrisa no tsy an’asa

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra eny Besarety “Tsy mbola nahazo alalana hivarotra”, hoy ny sefo fokontany

13/09/2019

Tsy nisy filazana tamin’ireo mpivarotra fa afaka mivarotra eo amin’ny lalana Besarety izy ireo.

Mpivarotra eny Besarety “Tsy mbola nahazo alalana hivarotra”, hoy ny sefo fokontany

Hamaky ny tohiny...

Seraben’ny asa Hotanterahina any Toamasina ny andiany faharoa

13/09/2019

Mahatratra 4 tapitrisa ireo olona tsy an’asa eto amintsika. Ny 70 %-n’ireo dia tanora avokoa,

Seraben’ny asa Hotanterahina any Toamasina ny andiany faharoa

Hamaky ny tohiny...

Association DAHOLO Nampianatra ny ankizy momba ny fahadiovana teny 67 ha

13/09/2019

Nanentana ny ankizy dimy ka hatramin’ny 10 taona momba ny fahadiovana sy fidiovana teny Antsalovana 67 ha omaly ny fikambanana Daholo, tarihin-dRtoa Mihanta Ramanantsoa.

Association DAHOLO Nampianatra ny ankizy momba ny fahadiovana teny 67 ha

Hamaky ny tohiny...

Famokarana zava-pisotro Miara-miasa akaiky amin’ny tantsaha ny Star

13/09/2019

Miara-miasa akaiky amin’ireo tantsaha eto amintsika ny orinasa Star amin’ny famokarana ireo akora ilaina amin’ny fanodinana zava-pisotro.

Famokarana zava-pisotro Miara-miasa akaiky amin’ny tantsaha ny Star

Hamaky ny tohiny...

Aretina azo avy amin’ny Firaisana tsy voaaro Mety mahafaty ary mitarika fahamombana

13/09/2019

Mitarika any amin’ny fahafatesana sy fahamombana mihitsy raha tsy voatsabo ara-dalàna ny aretina azo avy amin’ny firasaina ara-nofo maro loatra na ny IST

Aretina azo avy amin’ny Firaisana tsy voaaro Mety mahafaty ary mitarika fahamombana

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanjarian-tsakafo Mahatratra 49 % ireo ankizy lasibatra eto an-drenivohitra

12/09/2019

Mahatratra 49 % ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto Antananarivo Renivohitra no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo. Miezaka mitady vahaolana mifandraika amin’izany ny kaominina sy ny Ong ACF na “Action Contre la Faim” izay nikaon-doha tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely, omaly.

Tsy fanjarian-tsakafo Mahatratra 49 % ireo ankizy lasibatra eto an-drenivohitra

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Soamandrakizay Nisy ihany ny lesoka tamin’ny fandaminana

09/09/2019

Raha efa somary nafampana ny andro tao ho ao dia nivadika izany, nanomboka ny sabotsy alina, ho an'Antananarivo renivohitra.

 

 

Vokatry ny fitsokan'ny alizay dia nidina ny mari-pana no sady nandrivotra ny andro. Tsy dia namana firy, vokatr'izany Ingahibe masoandro, nandritra ny lamesa notarihin'ny papa Ray Masina teny Soamandrakizay. Ireo mpivarotra hani-masaka no tena nizaka ny voka-dratsin'ny rivotra, izay nampitora-jofo ny vovoka, hany ka nisy tamin'ireo sakafo no norakofan'izany vovoka izany. Ny latabatra nisakafoanana moa, tsy lazaina intsony. Fa isan'ny nitarainan'ireo mpivarotra sasany ihany koa ny tsy nahazoan'izy ireo jiro sy rano, araka izay nifanarahana tamin'ny fanofana ny trano heva, izany hoe nisy ihany fa tsy nahasehaka ireo mpivarotra. Simba, vokatr'izany, araka ny fitarainana voaray hatrany, ireo sakafo mila vata fampangatsiahana, toy ny hena. Maro no nimenomenona mihitsy omaly tolakandro rehefa vita ny fotoana satria nahatsapa fa maty antoka. 600 000 ariary no hofan’ny trano heva iray, nisy anefa ny mpivarotra tsy nahazo io vola hofantrano io akory satria simba sy tsy azo namidy intsony ny sakafo.Tetsy ankilan’izay maro be ihany koa ny olona efa nivatsy zavatra hohanina avy any an-trano , izany hoe tsy nanjifa ny entana teny Soamandrakizay; tao koa ireo nivoaka nitady tsakitsaky amina hotely kely taty ivelany satria tsy takatr’izy ireo ilay vidin-tsakafo 6000 ariary ho an’olona iray.Azo lazaina ho isan'ny hetsika lehibe tsara fanomanana indrindra teto amintsika ity fandraisana ny Papa Fransoa ity. Isan'ny nisaorana ny besinimaro ny fanajana ny filaminana, saingy mbola misy hatrany ny pitsony tahaka izao izay tokony arenina amin’ny manaraka.Mbola mila fiezahana ny fandaminana vahoaka maro ; mazava ho azy tsy maintsy misy foana ny maningana sy ny indro kely saingy azo atao tsara ny manatsara hatrany mba ho manara-penitra arak’ilay fomba fiteny tokoa ny zavatra atao.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana