Dans la mme rubrique

Fanenjehana mpitondra ambony Manasarotra ny fampiharana lalàna ny depiote

28/02/2020

Miandry ny tena fanombohan’ny asan’ny Fitsarana Avo (HCJ) aloha ny olom-pirenena. Ny 20 febroary lasa teo ny lanonana ara-pitsarana fianianan`ireo mpikambana ao anatin`ny Fitsarana avo (HCJ).

Fanenjehana mpitondra ambony Manasarotra ny fampiharana lalàna ny depiote

Hamaky ny tohiny...

Moussa Soalihy “Tsy mora ny mitantana firenena.”

28/02/2020

Amin’ny fitondrana firenena dia ilaina ny fisian’ny mpanohitra sy tsikera, hoy ny sekretera jeneralin’ny faribolam-pandinihana Miozolimanina, Moussa Soalihy.

Moussa Soalihy “Tsy mora ny mitantana firenena.”

Hamaky ny tohiny...

Honoré Rasolonjatovo “Mibaribary ny fitiavan-tseza ataon`ny HVM sy TIM”

28/02/2020

“Hitantsika ny zava-misy amin`izao. Manao fanoherana bontolo fotsiny ny antoko HVM syTIM”,

Honoré Rasolonjatovo “Mibaribary ny fitiavan-tseza ataon`ny HVM sy TIM”

Hamaky ny tohiny...

Lalàmpanorenana Maro ireo andininy miteraka adihevitra

28/02/2020

Voafaritra ao anivon`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2020 fa hiatrika fitsapan-kevi-bahoaka isika eto Madagasikara amin`ity taona ity.

Lalàmpanorenana Maro ireo andininy miteraka adihevitra

Hamaky ny tohiny...

Fanonganana Tsy mbola afa-doza ny praiminisitra…

28/02/2020

Efa iny niaraha-nahalala iny ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra nampiantso fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemanta roa tonta manomboka ny 4 martsa izao.

Fanonganana Tsy mbola afa-doza ny praiminisitra…

Hamaky ny tohiny...

Filoha Rajoelina Nidina be ny taham-pankafizan’ny olona azy

28/02/2020

Tsy mahafantatra.izay tena laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka Malagasy ny fitondram-panjakana, raha jerena amin’ny fomba fiasany.

Filoha Rajoelina Nidina be ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Olivier Rakotovazaha -MFM “Tsy mampino hoe izao fitondrana izao no hamerina ny Iles Eparses”

28/02/2020

Naneho ny fahitany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Olivier Rakotovazaha, ny antoko politika MFM.

Olivier Rakotovazaha -MFM “Tsy mampino hoe izao fitondrana izao no hamerina ny Iles Eparses”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana mivady Nihaona tamin’ny Papa Fransoa ihany koa

09/09/2019

Naneho ny hafaliany ka nidera sy nisaotra manokana ny Papa tamin’ny fahatongavany eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana, araka ny taratasy nalefany tamin’ny Papa Fransoa mitondra ny datin’ny 4 septambra.

 

 

Nisy moa taorian’izay ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo mivady teny Andohalo, ka nanoloran’izy ireo ny fanalahidin’Antananarivo an’i Papa. Nankasitrahan’i Marc Ravalomanana ny finiavana lehibe nananan’ny Papa tonga nitsidika ny firenentsika, izay nambaran’i Marc Ravalomanana fa ao anatin’ny fitadiavana fampandrosoana sy ny fandriampahalemana mba hiadanan’ny vahoaka Malagasy. Nisaotra tamin’ny aim-panahy, fampaherezana, ny hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondra, mahakasika ny voafonja, indrindra fa ny fanajana ny zon’izy ireo amin’ny maha olombelona azy. Mahantra fadiranovana i Madagasikara, kanefa tsy manary fanantenana, hoy izy. Ny finoana an’i Jesosy Kristy sy ny fitiavan-tanindrazana no andry lehibe tsy hanariana ny fanantenana fa handresy ny fahantrana. Tsy afaka hanatratra io tanjona io ihany koa anefa, raha tsy miara-mientana ny rehetra manana andraikitra amin’ny fampandrosoana, hoy izy. Nangataka tamin’ny Papa mba hanampy azy amin’ny ezaka ataony hahafaha-miresaka amin’ny mpitondra ankehitriny izy, mba hahafaha-manetsika ny tena fifampiresahan’ny samy Malagasy ao anatin’ny lalan-tsaina kristianina, mba hisian’ny fitoniana politika, fepetra tsy azo ihodivirana ho an’ny fampandrosoana tena haharitra. Ny vavaka sy ny hafatrao mba hisian’ny fiadanana, dia hifanampy sy hifanome tànana ny mpitondra sy ny entina hanatrarana ny tanjona, hoy i Marc Ravalomanana.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana