Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fifandraisana Madagasikara sy Vatican Valim-pitiavana noho ny fitomboan’ny kristianina ny fitsidihan’ny Papa

06/09/2019

“Tambin’ny fitomboan’ny isan’ny kristianina aty Madagasikara io fitsidihin’ny Papa io”, hoy ny Pretra Malagasy iray izay mianatra sy miasa any Roma. Tsy ny katolika ihany fa ny kristianina rehetra no mitombo.

 

 

Manamafy izany ny vaovaon’ny Vatican izay hita ao amin’ny “annuarium statisticum Ecclesia” anaty diarin’ny papa na ny “annuaire pontifical” izay milaza fa “Le nombre de catholiques augmente dans le monde, spécialement en Afrique et surtout à Madagascar”. Raha ny vaovao ofisialin’ny Solontenan’ny Papa eto Madagasikara eny Ivandry, ao amin’ny tranokalan’ny  infocatho.cef.fr dia mahatratra 41% amin’ny mponina eto Madagasikara no kristianina ka ny 23,42% no mpivavaky ny Eglizy Katolika Apostolika Romanina.

Fiantrana sy velon-tena

Miantsehatra amin’ny lafiny sosialy ny fiangonana, ankoatra ny fitsaboana sy ny fanampiana ireo sahirana tahaka ireo iantsorohan’ny Mompera Pedro izay iray fiaviana amin’ny Papa ray masina, manana ny maha izy azy amin’ny fanabeazana ireo sekoly katolika 3 400 mahery manerana ny Nosy, manomboka amin’ny garabola ka hatramin’ny fampianarana ambaratonga ambony manerana ny diosezy maro. Nisy lanjany teo amin’ny toekarena koa ny fihariana nentin’ireo misionera tahaka ny fikambanan’ny Saletin nitondra ny ovy tao Vakinakaratra, ny Bénédictin nitarika ny fiompiana akoho manatody lava tao Mahitsy, ny fiompiana akoho gasy isaky ny vita batemy tany Tsiazompaniry.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana