Dans la mme rubrique

MPIBATA ENTANA NIFAMONO

08/10/2019

Nifamono ny samy mpibata entana tetsy Ambanidia. Olona iray no maty rehefa voatsatoky ny antsibe teo amin’ny tendany.

MPIBATA ENTANA NIFAMONO

Hamaky ny tohiny...

BASY POLETA 9mm

07/10/2019

Basy poleta 9mm no nampiasaina tamin’ny fanafihana ny farmasia Ivato.

BASY POLETA 9mm

Hamaky ny tohiny...

SAHIRANA NY MPANALA FANADINANA

02/10/2019

Tao anatin’ny oram-be tanteraka no nirava ny mpianatra izay avy niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea omaly.

SAHIRANA NY MPANALA FANADINANA

Hamaky ny tohiny...

TRANO NIPETRAHAN-DRAINILAIARIVONY

01/10/2019

Trano nipetrahan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony tamin’ny 1863 ka hatramin’ny 1895 ilay niteraka olana tetsy Amboditsiry.

TRANO NIPETRAHAN-DRAINILAIARIVONY

Hamaky ny tohiny...

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

16/09/2019

Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro i Antsirabe ka ny orinasa Witec no hiandraikitra ny fanorenana izany.

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

Hamaky ny tohiny...

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

11/09/2019

Nisy namono ny lehilahy iray, raim-pianakaviana izay nandeha namonjy fiandrasam-paty.

RAIM-PIANAKAVIANA NISY NAMONO

Hamaky ny tohiny...

TIM Ambohimanarina

03/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanomboka omaly alatsinainy 2 septambra ny fampianarana maimaimpoana hiatrehana Bakalorea karakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Ambohimanarina.

TIM Ambohimanarina

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

RAHARAHARAH-CKIKIY

06/09/2019

Sazy an-terivozona 15 taona an-tranomaizina no azon’ireo olona izay nanafika sy nikasa ny hifofo ny ain’ilay mpanakanto malaza antsoina hoe Rah-Ckiky.

 

 

 

 

Nandeha ny fitsaràna ireo izay voarohirohy teo anivon’ny fitsaràna ady heloka ary roa lahy no nahazo ny sazy izay voalaza. Ny atidoha nikotrika kosa dia mbola tafatsoaka rehefa nomena fahafahana vonjimaika. Namoahana didy fampisamborana avy hatrany izy nandritry ny fotoam-pitsaràna.


HAIN-TRANO MISESY

 

Misesy ny hain-trano eto an-drenivohitra. Omaly fotsiny dia efa trano telo no kilan’ny afo teto Antananarivo. Saika nitovy avokoa ny anton’ny firehetana dia ny fifampikasohan’ny herinaratra izany. Nisy aza ny zazakely irery no tao an-trano tamin’ny fotoanan’ny firehetan’ny trano. Soa fa mba haingana ny manodidina no nahatsikaritra izany ary nanao izay ho afany tamin’ny fanaovana ny olona sy ny trano. Tonga ihany ny mpamonjy voina izay sahirana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana.

AMPAMOAKA TONGA PAPA

 

Marobe ny olona izay nisafidy ny fahatongavan’ny Papa Ray Masina mba hanehoana hevitra sy hamoahana ny marina misy eto amin’ny firenena. Ireo mpiaro ny zon’olombelona no tena nanararaotra izany fandalovany izany mba hitenenana izay tsy mety eto amintsika. Isan’izany ny fianakaviana izay manana ny havany nogadraina mandram-pahafaty rehefa voarohirohy tamin’ny tondromolotra fa nanatontosa ny fonenan’ny masera ao Antsahatanteraka, Andranomanelatra-Antsirabe2. Nilaza ireo fa ny katolika mihitsy no manao tsindry bokotra ka nahatonga ny fitsaràna hanaonao foana.

FAHATONGAVAN’NY PAPA

 

Niova tamin’ny ora farany indray ny fepetra raisina momba ny fiarovana ny Papa François. Rehefa nihaona tamin’nyArseveka Katolika ny lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny fiarovam-pirenena sy ny mpitandro ny filaminana dia tapaka fa afaka ny mandeha eny amin’ny arabe indray ny olona ary mahita mivantana ny Papa. Teo anefa dia tsy afaka ny miditra na aiza na aiza ny olona ary fenoina mpitandro ny filaminana izay handalovan’ny Papa. Na izany aza anefa dia tsy miova ny isan’ny mpitandro ny filaminana hanara-maso sy hiaro ny Papa. 

ANGIDIMBY HITONDRA NY PAPA

 

Niova koa ny toerana hipetrahan’ny angidimby izay hipetrahan’ny Papa ray masina. Nisy fanapahan-kevitra maro arak’izany niova araka ny fanirian’ny mpiambina manokana ity lehiben’ny Fiangonana Katolika ity ka noraisin’ny mpitandro ny filaminana malagasy an-tànana. Midika izany fa tsy ataon’ny olona kinanga mihitsy ny fiambenana sy fiarovana ny ain’ny Papa François. Indraindray aza dia toa lasa fandrahonana indray no mitranga amin’ny serasera izay ataon’ny tompon’andraikitry ny filaminana.

MPANAO GAZETY ZOKIOLONA

 

Hahazo trano fivoriana ny fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona araka ny fanirian’izy ireo ka nampitany tamin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Torak’izany koa, nilaza ny minisitra mpiahy ny hijery manokana ireo mpikambana amin’izay mety ho azony hanampiana ara-bola. Izany dia noho ny filazan’ireo zokiolona tsy ampihambahambana fa tena sahirana izy ireo ary mahantra kanefa ny fiainan’izy ireo iray manontolo dia natokany ho an’ny asa fanaovan-gazety.

TRAFIKANA RONGONY

 

Rongony folo taonina mahery no sarona tao Antsohihy ary notaterina tamin’ny gony marobe. Nisy olona nanome vaovao ny zandary ary hita tokoa ny fisian’ireo zava-mahadomelina izay saika haondrana any amin’ny faritra avaratra ny ampahany ary alefa aty an-drenivohitra ny ambiny. Raha ny zava-misy dia tena bizina lehibe tokoa ary misy tambajotra matanjaka amin’ny resaka voly sy varotra rongony eto amintsika.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana