Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiainam-bahoaka Tena lalaovin’ny IRD

06/09/2019

Matoa miroborobo ny fanodinkodinam-bolam-panjakana dia satria tsy fantatry ny mpanara-maso marina ny lalàna nolaniany. Rehefa nametraka ny programan’asany ny governemanta dia faly ny solombavambahoaka satria misy mangirana kely ho an’ny faritra niaviany ny asa.

 

 

 Ny PGE nolaniana tsy nisy sora-bola nefa ny lalàna momba ny fitantanana ny vola no atao. Ny governemanta dia nampirisika ny depiote handany ny programany fa ny depiote tsy mba nieritreritra fa ny fiainam-bahoaka no eo am-pelatanany Mahazaka ny fandaniana atao ve ny vola miditra hokirakirain’ny fanjakana ? Raha tsia, avy aiza ny loharanom-bola ? Manao ahoana ny fipetraky ny trosa samihafa raha hiditra trosa ? Matoa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena dia tsy mifandanja ny fandaniana sy ny ampidirina. Vinavinaina ho 15% ny fidiran-ketra antenaina ao anatin’ny telo taona dia inona amin’ny fampiasam-bola no zakan’izany ? Firy isan-jaton’ny vola ampiasaina ny fanampiana avy any ivelany amin’ireny ny trosa ? Be mpanangan-tanana fotsiny ao Tsimbazaza. Ny fisehoan-javatra tany Ambohimasina nahavoarohirohy an’i Claudine Razaimamonjy dia porofo iray fa  tsy fantatry ny mpanara-maso marina ny lalàna nolaniany. Tsy mba efa naka lesona ve ireo solombavambahoaka ? Ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana, ny ady amin’ny  kolikoly, ny tsy fandriampahalemana, ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa tranainy dia tsy fampandrosoana fa fitaizana ny simba tsy hirodana kanefa ireny no hitrosana vola. Rafitra mamelona amin’ izay miankina aminy fotsiny fa tsy mitondra firenena raha mitohy. Amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka tokoa no hamolavolana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra ho an’ny taona 2020 ary fantatra fa efa mandinika amin’izany ireo minisitera ankehitriny. Tokony hisintona lesona tamin’ny fotoam-piasana teo aloha ny depiote mba hahafahana mametraka ho ambony hatrany ny tombontsoam-pirenena.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana