Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fiakaran’ny vidin’ny PPN Avy any am-potony no mahatonga izany

05/09/2019

Olana avy any am-potony no mahatonga ny fiakaran’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro na ny PPN amin’ny ankapobeny, hoy ireo mpambongady nanaovana ny fanadihadiana.

 

 

 Nambaran’izy ireo, fa antony mahatonga izany, ny  fahatapahan’ny lalana, ka tara ny fahatongavan’ny entana eny amin’izy ireo, izay tsy tonga ara-potoana. Eo koa ny karaman’ireo mpibata entana mamindra izany amin’ny fiara hafa noho izay lalana tapaka izay. Tonga eto Antananarivo anefa ireo PPN, dia mahatsiaro ho matiatoka ireo mpambongady raha tsy mampiakatra ny vidiny. Tsy maintsy mampiakatra kosa ireo grosista, hoy ny fanazavana. Mitaraina kosa anefa ireo mpanijara, satria, lasa nidangana ny vidin’ny menaka novidiana. Raha valo alina ariary ny 20 litatra, dia lasa 12.500 ariary izany amin’izao, hoy ireo mpanijara. Voatery nampiakatra 200 ariary ka hatramin’ny 500 ariary amin’ny litatry ny menaka kosa ireo mpivarotra enta-madinika. Ny menaka no nahitana fisondrotany hatreto, satria raha nivarotra 5000 ariary ny litatra, dia lasa 5200 ariary ka hatramin’ny 5500 ariary ireo mpivarotra madinika. Nahitana fiakarany 100 ariary isaky ny kilao kosa ny vary, ka ny makaliaoka raha 1700 ariary ny kilao dia lasa 1800 ariary izany. Ny makalioka sy ny vary gasy no tena be mpividy. Amin’ny ankapobeny, dia mitaraina amin’ny fiakaran’ny vidin’ny PPN ireo mpajifa, ka tokony ho jerena akaiky ny momba izany, fa tsy ho variana amin’ny fandraisana ny vahiny (ndlr : Papa François) ny fitondrana sy ny ministra voakasika, hoy ireo mpajifa sy ireo mpambongady ary ny mpanijara.

 

Sitraka r.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana