Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Kaominina Alasora Miandrandra vahaolana maharitra amin’ny lalankely noravana ireo mponina

05/09/2019

Mbola mitohy ny disadisa eo amin’ny fokonolona sy ny tompon-tany iray eo amin’ny fokontany Ankazobe sy Ambohipo Atsimo. Ireo mponina hihazo an’Ankazobe, kaominina Alasora no velon-taraina fa ny toerana ahitana ilay lalankely kosa dia eo Ambohipo Atsimo.

 

 

 

 

Nisy nandrava io lalana io ka voatery mihodina lavitra ireo mpampiasa . Efa an-taonany maro anefa no nodiavina ilay fotodrafitrasa. Nohavaozin’ny  “Sekalina” ka vita tamin’ny vato sy simenitra ary lasa “lalan’ny Sekalina” raha ny filazan’ireo mponina eny an-toerana. Indray zoma, tonga dia noravan’ny tompon’ny tany eo anilany ka tamin’izay no niatomboka ny korontana. Nilaza anefa ny tompon’andraikitra tamin’ireo fokontany roa tonta fa samy nilaza fa tsy nisy nanome alalana. Ny hany herin’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fokontany Ambohipo Atsimo aloha dia ny nanajanona ny asa. Tsy teo an-toerana koa ilay tompon’ny fanorenana fa mpiasa no teo ka tsy naha tapa-kevitra ireto farany.

Raharaham-pihavanana

Miandry ny raharaham-pihavanana ireo mpampiasa ny lalana, indrindra ireo mponinan’Ankazobe izay eo no fandalovana raha ho any Ankadindratombo. Raha tsy voalamina eo amin’ny manampahefana eo an-toerana dia hiakatra hatramin’ny raharaham-pitsarana mihitsy ity olan’ny “servitude de passage” ity. Tamin’ny fotoana nandalovan’ny mpanao gazety teny an-toerana, tsy tratra teo ilay tompon-toerana mikarakara fanorenana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana