Dans la męme rubrique

Tale jeneralin’ny UNICEF “Tandindonin-doza ny ankizy maneran-tany”

18/09/2019

Tao anatin’ny taratasy misokatra miantefa amin’ny ankizy maneran-tany no nambosahan’ny Tale jeneralin’ny UNICEF Sampandraharaha iraisam-pirenena miaro ny zon’ny ankizy, Rtoa Henrietta H.

Tale jeneralin’ny UNICEF “Tandindonin-doza ny ankizy maneran-tany”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana FILEFA “Tsy mpisoloky izahay fa mijoro ara-panjakana”

18/09/2019

Nanambara ny olana nosedrainy tany Moramanga, tamin’ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny FIkambanan’ireo olona LEo ny FAhantrana (FILEFA) Atoa Razafindrakoto Gérard, omaly.

Fikambanana FILEFA “Tsy mpisoloky izahay fa mijoro ara-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Fifaninanana « Miss Tourisme » Hasiana isan-taona

18/09/2019

Vita omaly tetsy amin’ny Pousse pousse Antaninarenina ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ilay fifaninanana hatsaran-tarehy sy bika amdiany

Fifaninanana « Miss Tourisme » Hasiana isan-taona

Hamaky ny tohiny...

AMORONANKONA AMBOHIMANAMBOLA Ho vita tsy ho ela ilay toby famokaran-drano fisotro madio

18/09/2019

Na dia nihemotra kely aza fa tsy vita tamin’ny 10 septambra lasa teo ny asa fanamboarana tobim-pamokarana sy fanadiovan-drano eny Amoronankona,

AMORONANKONA AMBOHIMANAMBOLA Ho vita tsy ho ela ilay toby famokaran-drano fisotro madio

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahan’ny Base Toliara Manaitra ny filoham-pirenena ny CRAAD-OI

16/09/2019

Mamelà anay hanaitra anao maika mahakasika ny “radioactivité” ao Ranobe izay itrandrahan’ny tetikasa Base Toliara fasimainty ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana mba ahazoana ilménite sy zircon ary rutile,

Fitrandrahan’ny Base Toliara Manaitra ny filoham-pirenena ny CRAAD-OI

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Azo vahana tsara ny olan’ny fako

16/09/2019

Araka ny lalàna mifehy azy sady voasoratra amin’ny andinim-pitantanana sy eo amin’ny rafitra dia anjaran’ny minisitera fa tsy an’ny kaominina akory ny fisahanana ny fitantanana ny fako,

Antananarivo Azo vahana tsara ny olan’ny fako

Hamaky ny tohiny...

Tsimialonjafy, Ampamarinana Nozahana akaiky ireo faritra ahiana hisy fihotsahana

16/09/2019

Efa miasa fatratra sahady ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana amin’izao na dia vao volana septambra aza isika.

Tsimialonjafy, Ampamarinana Nozahana akaiky ireo faritra ahiana hisy fihotsahana

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fisondrotan’ny PPN Hanao fitsirihana ifotony ny fanjakana

05/09/2019

Hentitra ny filoham-pirenena omaly alarobia 4 septambra nandritra ny filankevitry ny minisitra ka nanamafy ny tsy maintsy hahatanterahan'ireo minisitra tsirairay ny tetikasany ka nanomezany

 

 

toromarika ny tokony hanafainganana ireo pitsopitsony amin'ny dingana ara-panjakana arahina ao anatin’ny tsenan'asam-panjakana. Notsindriany manokana ny tsy maintsy handraisana fepetra mikasika ny fanararaotana ny fampiakaram-bidy ny entana ilaina andavanandro eny an-tsena (PPN) . Mila tsirihina ireo mpanafatra entana ka arahi-maso ny tahirin'entana ary angataham-panazavana izy ireo ny antony fiakaram-bidy nefa tsy miditra amin'ny maintso ahitra akory  isika amin’izao fotoana. Tena mampitaraina ny isan-tokantrano tokoa ity sondrobidin’ny menaka sy siramamy, sira, labozia, savony, arina fandrehitra… ity tato anatin’ny 3 herinandro izao. Hatrany am-potony mihitsy no niakatra ny vidiny, hoy ireo mpaninjara. Inona no tena antony ? Io izany no hotsirihana sy arahi-maso akaiky manomboka izao. Tsy mazava aminay intsony ny zava-misy, hoy ny olona nanontaniana satria ny vidin-tsolika nidina fa ny vidin’entana niakatra. Efa ao anatin’ny fiomanana amin’ny fampidirana mpianatra anefa ireo ray aman-dreny. Nisy mihitsy aza no efa mianatra. Mampitombo ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano io fiakaran’ny vidin’ny PPN io. Ho hita eo indray izay ho tohiny sy ny fahasahian’ny fanjakana manasazy satria efa fantapantatra ihany ireo mpanambola mpanafatra PPN eto. Ho sahy hanasazy ireo mpanararaotra tokoa ve ny fanjakana ?

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana