Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mafana ny toe-draharaha Minisitra iray teo aloha hosamborina…

04/09/2019

Ho avy ny fisamborana na fampiantsoana minisitra iray tamin’ny andron'ny HVM, raha ny loharanom-baovao azo. Mety ho anio alarobia no hanatanterahana izany.

 

 

 

 Resaka fanodinkodinana volam-panjakana sy fanararaotam-pahefana no voalaza fa vesatra hanenjehana azy io. Mety misy resaka kolikoly sy fitantanana tsy mazava ihany koa. Mety hohenjehina amin’ny raharaha fanangonan-karena azo tsy ara-drariny izy. Efa nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra n°14-HCC/D3 ny 5 jolay rahateo ny lalàna 2019-015 momba ny fanagiazana ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, izay tsy sarotra amin’ny filoha ny mamoaka ny didy fampiharana. Matetika rahateo no nahenoana na ny filoha na ny praiminisitra, izay manamafy ny fanenjehana ny mpanodinkodina volam-panjakana izay tsy maintsy mamerina manontolo ny vola ary mihatra aminy ny lalàna. Nampidirina am-ponja ny Tale jeneralin’ny ladoany teo aloha sy ny namany vitsivitsy noho ny filazana fa nanao kolikoly an-jatony miliara. Maro ny fampanantsoana teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption), ary ity rafi-pitsarana ity dia nanamafy fa dosie maro no hotsaraina amin’ity volana septambra ity. Misy minisitra sy tompon’andraikitra teo aloha efa namoahana fandrarana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST,... Vao tonga teo ny filoha dia betsaka ny fanadihadiana natao tamin’ny minisitera samihafa. Na izany aza dia mampanahy ihany sao misy ambadika politika na valifaty politika.  Fomba fiasa tsara ny fanadiovana fa enga anie mba tena izay tokoa ilay izy. Ny filoha moa efa niteny hoe hiady amin’ny kolikoly sy hametraka fanjakana tsara tantana fa ny momba ireo mpitantana amin’izao fotoana no tsy fantatra. Anjely daholo ve ? Teo ihany koa ny resabe manodidina ny fifidianana filoha farany teo satria efa malaza maneran-tany fa tena niasa ny vola be. “Tsy misy fifantenana na iza na iza tratra amin’ny resaka kolikoly, tokony hosazian’ny lalàna avokoa, hoy i Andry Rajoelina nandritra ny fianianan’ny Tale jeneralin’ny Bianco ny 7 aogositra. Efatra andro monja taorian’io dia toa nanao valin-kafatra i Marc Ravalomanana hoe: Ny ady amin’ny kolikoly tsy atao ety ivelany hanagadrana olona fotsiny fa jereo aloha ny manodidina anao. Raha tianao ny hanana ny maha izy anao maneran-tany, dia jereo aloha ny manodidina anao, ary aza miaro an’ireo mihitsy fa ataovy mitovy daholo. Raha mbola misy olona mpanao kolikoly manodidina azy ao, dia resaka mandany andro fotsiny, hoy ny filoha teo aloha.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana