Dans la męme rubrique

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

24/02/2020

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

Hamaky ny tohiny...

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

24/02/2020

Ny 80 %-n’ny vola azo avy amin’ny CLD ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia fantatra fa haompana amin’ny resaka fanabeazana avokoa hahafahana mampihena ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly.

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

24/02/2020

Hanangana birao isam-bohitra ny ben’ny tanànan’Arivonimamo mba handraisana ny hetahetan’ireo vahoaka eny anivon’ny fokontany.

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

24/02/2020

Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

Hamaky ny tohiny...

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...


Politique

Raharaha Ampefiloha Nankasitraka ny fihetsiky ny fitondram-panjakana ny CNIDH

04/09/2019

Mahavelom-bolo ny mpiaro ny zon’olombelona ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana teo anatrehan'ny fanambarana nataon'ny minisitra miandraikitra ny filaminam-bahoaka ny 27 aogositra lasa teo,

 

 izay naneho fialan-tsiny sy fiaraha-miory tamin'ny fianakavian'ny maty tetsy Ampefiloha, Antananarivo, ny zoma 23 aogositra, hoy ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena momba ny Zon'Olombelona (CNIDH). Rariny loatra raha noraisina izany fepetra nanolorana ny fitsarana ilay polisy nitifitra nahafaty ilay heverina ho jiolahy, ary efa any am-ponja ankehitriny, satria tokana ny lalàna mifehy ny rehetra araka ny voalazan’nyu lalàmpanorenana  (and. faha-6). Ny Lalàmpanorenana dia miaro ihany koa ny ain'ny olombelona rehetra tsy ankanavaka (and. faha-8), eny fa na dia ny ain'ny jiolahy mpamono olona aza. Marihin'io andalan'ny Lalàmpanorenana io koa anefa fa tsy heverina ho fandikan-dalàna ny famonoana olona raha toa ka tsy maintsy atao izany ho fiarovan-tena na fiarovana olon-kafa amin'ny herisetra tsy ara-dalàna, hoy ny CNIDH. Deraina ny polisy izay nampiasa ny fahaizany sy ny herimpony handravana ny tambajotran-jiolahy. Izany dia ho fiarovana ny zon'ny olom-pirenena tsotra, izay tsy manana basy iarovany ny ainy sy ny fananany. Fandikan-dalāna kosa anefa, sady fanitsakitsahana zon’olombelona, ny fitifirana ho faty olona efa voatifitra rahateo ka tsy afa-mihetsika, tsy afa-mandositra, tsy afa-manohitra intsony, hoy izy ireo. Noho izany, dia mangataka ny minisitry ny fitsarana ny CNIDH hanao laharam-pahamehana ny fitsarana iny polisy sokajian’izy ireo ho nahavanon-doza iny, ka hampahafantatra izay didim-pitsarana hivoaka, ho ren-tany, ho ren-danitra. Izany dia fomba iray hialana miandalana amin'ny « fitsaram-bahoaka », izay tsy ara-drariny, sy hitaizana ny tanora sy ny ankizy hahay hanavaka ny mety sy ny tsy mety, ny ara-dalàna sy ny tsy ara- dalana. Midera ihany koa ny ezaka ataon'ny miaramila sy ny zandary. Tsy hahitam-bokatra maharitra anefa ireny ezaka ireny, raha mbola misy ny fomba mamoafady toy ny fampanofana basy amin'ny jiolahy, ny fanakonan-keloka noho ny firaisankina diso toerana (corporatisme),…

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana