Dans la mme rubrique

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

16/09/2019

Nahazo vahana indray tato ho ato ny fikasana hanondrana ny harena sarobidin’i Madagasikara, araka ny tatitry ny fadin-tseranana Malagasy. Anisany ny saika amoahana safira teny Ivato tamin’ny alatsinainy lasa teo izay nataona vehivavy Indiana 2.

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

10/09/2019

Hisy ny fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny Havila School etsy Mamory Ivato sy ny Business & Hotel Management School na BHMS avy any Soisa, araka ny fampahafantarana omaly tetsy amin’ny Hôtel Pietra Analakely.

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

Hamaky ny tohiny...

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

06/09/2019

Ho fampivoarana sy ho fampiroboroboana ny fiofanana arakasa dia tanora miisa 25 no halefan’ny orinasal Base Toliara handranto fianarana any Kenya.

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

05/09/2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny tokony hifehezana ny teny Anglisy eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao mantsy dia saika mitaky ny fahaizana io teny vahiny io avokoa ireo orinasa maro.

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

Hamaky ny tohiny...

Faritra Anosy Mila ezaka be amin’ny fambolen-kazo

05/09/2019

Noraketina tanatin’ny boky mihitsy ny antontan-kevitra rehetra voaray izay avadika fandaharan’asa amin’ny fambolen-kazo ho an’ny faritra Anosy.

Dossier

Fiara miditra eto Madagasikara Nihena hatrany nandritra ny 3 taona

03/09/2019

Tato anatin’ny 3 taona farany dia nahitana fihenana ny isan’ny fiara miditra eto Madagasikara na misy aza ny ezaka ataon’ireo mpivarotra mampahafantatra ireo tolotra misy.

Anisan’izany ny hetsika tahaka ny salon de l’auto izay hiseho indray ny volana oktobra ho avy izao. Raha ny tarehimarika no jerena, kely ny tsenam-barotra eto Madagasikara na dia Nosy lehibe indrindra eto amin’ny faritry ranomasimbe Indianina aza izy. Mampiditra fiara vaovao kely indrindra isan-taona ny firenena Malagasy satria latsaky ny 3000 monja izany ary hatreto dia 2500 ho an’ny taona 2019. Ampahefatry ny ao Maorisy izay mampiditra fiara 10.000 isan-taona ary ny  amin’i nosy La Réunion aza dia mahavita mampiditra fiara 30.000. Ny azo atao hanamorana ny fanafarana fiara dia ny fametrahana fepetra isarihana ireo mpanjifa  fiara vaovao na fiara efa niasa, sy hanampiana tosika azy ireo satria ambany dia ambany ny fahefa-mividy eto Madagasikara ary maro be ireo olona tsy mba afaka mividy fiara. Anisan’izany ny fanamorana ny fahazoana fampindramam-bola any amin’ny banky na any amin’ireo mpampindram-bola madinika. Ilaina ihany koa ny vondron’ireo mpivarotra fiara vaovao eto Madagasikara (GCAM) hiara-kidinika amin’ny tompon’andraikitra voakasik’izany mba hijerena ny fanamorana ny fampidirana fiara vaovao na efa niasa eto sy hanarahana ny fenitra sy ny kalitao ilaina amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa ny GCAM no miaro ny asan’ireo mpivarotra sy miezaka mampanara-penitra ireo vokatra ampidirina eto izay mampisy lanja kokoa ireo fiara hovidian’ny mpanjifa”

Tsirinasolo

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana