Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ambongamarina Anjozorobe Resin-tosiky ny dahalo ny miaramila…

02/09/2019

Miaramila iray isaky ny tanàna no ao amin’ny kaominina Ambongamarina, Distrikan’ Anjozorobe.

 

 

 

 

Matahotra ny ainy izy ireo manoloana ny hery tsy mitovy. Be no ho ny vitsy mantsy izy ireny miatrika ireo dahalo am-polony maro mitam-piadiana mahery vaika ka tsy sahy manao sorona ny ainy na

efa karamain’ny isan-tanàna aza. Tamin’ny herinandro lasa iny, nisy jiolahy folo lahy mahery nirongo basy sy zava-maranitra nanafika mpivarotra sy trano vitsy tamin’ny 7 ora hariva. Vola sy entana sarobidy ary toaka no lasany fa tsy nisy ny aina nafoy. Tamin’ny 11 ora alina, mbola nanafika mpanangom-bokatra nandeha kamiô indray izy ireo, tsy lavitra ilay notafihiny teo ihany. Ilay tavoahangintoaka nangalariny ihany no nidarohany ilay mpamily fiara vaventy rehefa ritra ny tao anatiny. Niantso vonjy ilay mpandraharaha ara-toekarena fa niahotra ireo fokonolona. Tsy sahy niatrika tahaka ilay mpitandro filaminana tary amin’ny tanàna hafa ihany koa ilay miaramila teo an-toerana, noho izy irery manoloana iretsy jiolahy mirongo fiadiana mahery vaika sy zava-maranitra.

tsy nisy koa ny naratra. Efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana any an-toerana kosa ilay panamory fiara vaventy sady mpividy vokatra amin’iny tapany avaratry ny faritra Analamanga iny.

 

 

Haja Nirina 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana