Dans la mme rubrique

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

20/02/2020

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay lehilahy izay voarohirohy ho mpangala-jaza izay nosamborina tetsy Ambilanibe.

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

Hamaky ny tohiny...

RAZANA NITERAKA OLANA

18/02/2020

Lehilahy iray no nisy nandevina tao amin’ny tranony tetsy Alasora.

RAZANA NITERAKA OLANA

Hamaky ny tohiny...

FILANKEVITRY NY MINISITRA

30/01/2020

Nanome toromarika ny governemanta nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny filoham-pirenena.

FILANKEVITRY NY MINISITRA

Hamaky ny tohiny...

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

29/01/2020

Mahakasika ny fanovàna governemanta izay tsy ho ela intsony dia fantatra fa minisitra telo no avy amin’ny filoha telo aloha Ravalomanana ary ny roa kosa dia avy amin-dRajaonarimampianina

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

Hamaky ny tohiny...

TANIM-PANJAKANA

16/01/2020

Nambaran’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly fa antontan-taratasy miisa 19 vokatry ny hosoka no navoakan’ny teoanivon’ny

TANIM-PANJAKANA

Hamaky ny tohiny...

MBOLA NIFETY IHANY

13/01/2020

Na dia efa nilaza aza ny fanjakana fa tsy hisy ny fetin'ny fankalazana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona, misy amin'ny sampan-draraharaha ao amin'ny fitondrana maro ihany no manao fety.

MBOLA NIFETY IHANY

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

10/01/2020

Valo lahy mitazona basy marovava na kalachnikov no nanafika ny toeram-pivarotana enta-madinika iray tetsy Ambohijanaka.

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MANODIDINA AN’I MBOLA RAJAONAH

02/09/2019

Manomboka mipitika any amin’ny manodidina an’i Mbola Rajaonah ny ra.

Nidoboka am-ponja ny alin’ny sabotsy teo ny tale jeneralin’ny ladoany tamin’ny andron’ny fitondrana teo aloha. Tsy izy ihany fa mbola nisy mpiara-miasa akaiky taminy teo anivon’ny fadin-tseranana, izay miisa telo, nadoboky ny fampanoavana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly. Vola mitentina manodidina ny 120 miliara ariary no afera vitan’izy ireo  avy amin’izany filazana zavatra diso momba ny ao anaty kaontenera izany. 

 

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA


Nifandona ny taksibrosy roa tetsy Ambohidavenona, eny amin’ny lalam-pirenena voalohany. Notaterina tao amin’ny hopitaly Miarinarivo ireo naratra ka ny mpamily roa no tena isan’ny voa mafy. Raha ny fanazavana azo dia nisy olona niampita tampoka ary raha niala azy ny fiara iray dia nifatratra tanteraka tany amin’ilay fiara faharoa. Rava tanteraka ny fiara roa ary marobe ny mpandeha izay naratra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. 

 

ADIHEVITRA LATSAKA AMBANY BE


Latsaka ambany dia ambany tanteraka ny adihevitra politika eto Madagasikara. Isaky ny misy tsy mety hataon’ny fitondram-panjakàna dia miasa be avy hatrany ireo « compte fake » mamafa ny malotony. Fantatra fa efa tena asan’izy ireo andavanandro mihitsy io karazan’asa mpamotika olona, mpamafa maloto ary mpandemy ny saim-bahoaka ka manova ny marina mba ho diso na koa ny mifanohitra amin’izay. Volabe mihitsy no ampiasaina amin’izany ary manana birao hatramin’ireo mpilalao. 

 

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MISESY

 

Misesisesy ireo lozam-pifamoivoizana eny amin'ny lalam-pirenena kanefa dia nanaovan'ny sampana miadidy ny fifamoivoizana an-tanety (ATT) fisehosehoana be ny amin’ny fandrindrana hatao sy fisavana, indrindra koa amin’izao fotoanan'ny fialantsasatra izao. Amin'ny herinandro anefa no ahatongavan'i Papa ary vao mainka ho betsaka ny hifamoivoy an-tanety.Asa izay hitranga raha toa ka tsy mandeha amin'ny laoniny ny fanaraha-maso. 

 

 

 

 

 

 

MANOHANA NY MPITONDRA


Nivoaka tamin'ny fahanginany i Marc Tatandraza. Nilaza izy ny handeha hampiova fo ireo dahalo nitovy taminy. Hita ihany koa ity dahalo niova fo ity fa manohana be ny mpitondra ankehitriny ary sahy nilaza mihitsy aza izy fa ny filoha Andry Rajoelina no namoaka azy tany am-ponja. Namindra fo taminy ny filoha, raha araka ny filazany, ka nahazoany fahafahana madiodio. Midika koa izany fa mibaiko ny fahefam-pitsarana ny fahefana mpanatontosa, indrindra koa ny fahefana faratampony. 

 

 

SIMBA LAZA


Mainka koa simba tao anatin’ny indray mipi-maso ny lazan’ny minisitry ny serasera  sy ny kolontsaina manoloana ny fitazonana olona ao amin’ny polisy misahana ny heloka bevava noho ny heloka izay natao tamin’ny tambajotra sosialy. Izy anefa no isan’ny niady mafy ny fanovàna ny lalàna momba ny cybercriminalité, fony izy mbola mpanohitra. Niova tokoa izany ary tsy misy fanagadràna intsony. Ankehitriny indray dia miverina io ny fitaovana entina hisamborana sy handrahonana ny mpanohitra ankehitriny.
Ny vava no tsy hatao be, hoy ny Ntaolo.

  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana