Dans la mme rubrique

Trangam-piarahamonina Nisoloky 400.000 ariary ilay pretra sandoka

10/07/2020

Naverina niakatra fampanoavana omaly, tetsy Anosy, ny pretra sandoka iray, 63 taona. Nisoloky olona maromaro izy ka tratra ny farany. Milaza izy fa mompera avy any Moramanga.

Trangam-piarahamonina Nisoloky 400.000 ariary ilay pretra sandoka

Hamaky ny tohiny...

Tatsambo Malagasy Maherin’ny 500 tsy mbola tafody

10/07/2020

Tatsambo Malagasy maro no mbola tavela ivelan’i Madagasikara kanefa te hody an-tanindrazana.

Tatsambo Malagasy Maherin’ny 500 tsy mbola tafody

Hamaky ny tohiny...

Fanampiana hiatrehana fihibohana Samy miandry ny fitetezam-baravarana

10/07/2020

Hatramin’izao dia mbola samy velom-panontaniana ny ankamaroan’ireo mponina eto Analamanga mikasika ny resaka fitetezam-baravarana na “porte à porte” hanaterana fanampiana ireo mponin’ny faritra Analamanga hiatrehany izao fihibohana izao.

Fanampiana hiatrehana fihibohana Samy miandry ny fitetezam-baravarana

Hamaky ny tohiny...

Tsena Soamanatombo Arahi-maso akaiky ireo mpivarotra

10/07/2020

Ho fisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus dia mitohy hatrany ny fanentanana ireo mpivarotra ny entana ilain'ny mponina amin'ny andavanandro ny amin'ny tokony hikatonan'ny tsena amin’ny 12 ora atoandro tsy diso.

Tsena Soamanatombo Arahi-maso akaiky ireo mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Fampiasana trano fivoahana tsy vita Samy voasazy ilay nanao maloto sy ilay noratrainy

10/07/2020

Niakatra fitsarana tamin’ny alatsinainy 29 jona lasa teo, tao amin ny lapan'ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antalaha, ilay raharaha fampiasana trano fivoahana mbola tsy vita nisian’ny fandratrana olona roa.

Fampiasana trano fivoahana tsy vita Samy voasazy ilay nanao maloto sy ilay noratrainy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bary Tsy misy ahiana mandritra ny fihibohana

10/07/2020

Mpiasan` ny ministeran` ny varotra miisa 200, izay ahitana “commissaires” sy “controleurs”

Tahirim-bary Tsy misy ahiana mandritra ny fihibohana

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Hatsaraina amin’ny tetikasa Water III ny famatsian-drano

09/07/2020

Hohatsaraina ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Nankatoavin’ny Antenimeram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona, ny herinandro lasa teo ny fanatanterahana ny tetikasa JIRAMA Water III, izay miompana amin’ny fanitarana ireo foto-drafitrasa famatsian-drano eto an-drenivohitra.

Antananarivo Hatsaraina amin’ny tetikasa Water III ny famatsian-drano

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Midangana ny vidin’entana Aiza ny fanjakana ?

02/09/2019

Niakatra tato ho ato ny vidin-javatra sasany ilain’ny olona amin’ny fiainana andavanandro ary nidangana mihitsy. Niakatra 25 isan-jato be izao ny vidin’ny gonin-tsaribao.

 

 

 Ilay gony novidiana 20 000 Ariary teo aloha, lasa 25 000 Ariary amin’izao. Ny menaka madio iray litatra tsy amin’ny tavoahangy ihany koa nahitana fiakarana 12 isan-jato, lasa 5 600 Ariary raha 5 000 Ariary ny litatra teo aloha. Momba ny saribao manokana, ny feo mandeha dia tsy azo atao ny mikapa ala sy ny mitondra gonin-tsaribao maromaro no mampiakatra ny vidiny ka tsy ahitana arina ny toeram-pivarotana sasany. Ny fanazavana avy amin’ny fanjakana no vahaolana eto na ny politika mazava tian’ny fanjakana hapetraka momba ny fiarovana ny tontolo iainana, kanefa dia tsy misy hatreto.

 

MENAKA

Momba ny menaka indray, mitobaka izy io eny an-tsena kanefa miaka-bidy. Ny sandan’ny Ariary izay ambany dia ambany mitaha amin’ny vola vahiny toy ny Euro no mahatonga izany. Ny menaka ihany mantsy no niaka-bidy amin’ireo entana ilain’ny olona amin’ny fiainana andavanandro, hatreto. Tsy nisy niakatra anefa ny vidin’ny akora toy ny voanjo, tanamasoandro hanamboarana azy. Eto an- toerana ihany no mahatonga ny fisondrotana, ka mbola mitaky ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ihany koa mba hijery ifotony izay antony izay ka handray fanapahan-kevitra fa mijaly loatra ny vahoaka. Raha efa mandeha antsinjarany hatrany amin’ny 200 Ariary ny menaka vao miala fotsiny ny renivohitra, dia hidina hatrany amin’ny 1 00 Ariary, fatra amin’ny sotro kely. Toy izay koa ny arina, hihakely hatrany ny fatra zakan’ny mpividy. Mampiseho ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny Malagasy ankehitriny ireny. Tsy mahagaga raha ny  etona fandrehitra na “gaz” aza efa hamidy antsinjarany atsy ho atsy.

 

Manga

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana