Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Miaramila sandoka tao Port-berger Novadiany nandritra ny tapa-bolana ilay zazavavy

30/08/2019

Niara-natory tamin’ilay lietnà-kolonely sandoka nandritra ny tapa-bolana ny tovovavy iray nakariny ho vady.

 

 

 Ireto mpivady vao koa nanatanteraka ny volan-tanteliny tamin’ny faritra maro tahaka an’i Mandritsara izay fiavian’ilay tovovavy, Antsohihy,  Boriziny, Mahajanga. Voahaja natokana efitra fandriana tsara hatrany izy sy ilay tovovavy nandritra ny roa herinandro tamin’ireo fianakavian-drazazavavy notsidihiny. Araka ny resaka tamin’ny zandarimariam-pirenena any Port-Bergé dia manaja vinanto lahy, indrindra ireo miaramila tahaka ity iny faritra iny.

Nisy fotoana tonga saina tampoka ny rain’ilay zazavavy, manoloana ireo fampanantenana goavana nataon’ny vinantony, toy ny fanaovana trano vato sy fanomezana harena maro ka niantso ny tany Maintirano izay nilazany fa lehiben’ny kaompania any izy. Nilaza avy hatrany ilay tena tompon’andraikitra voalohany any an-toerana fa ny tenany tsy niala velively tany fa mpisandoka izany. Tao Port-Berger no tsikaritr’ilay rahalahin’ny rain-drazazavavy ireto mpivady vao ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany izy.

 

Ny atoandron'ny 25 aogositra  no nahazo io vaovao io ny zandary ao Mandritsara. Heno fa mandalo ao Boriziny ilay olona miaraka amin'ilay zazavavy sy lehilahy iray hafa. Nidina teny ifotony ny Zandary ka noraisim-potsiny ireo mpisandoka izay nanao fanamiana miaramila. Notanana vonjimaika ao am-ponja ireo roalahy rehefa vita ny famotorana. Ilay zazavavy kosa dia natao vavolombelon'ny fisandohana natao azy.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana