Dans la mme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fokonolona nikomy Olona 3 nogadraina ao Ambatondrazaka

30/08/2019

Telo mirahalahy, anisan’ny mpitarika vahoaka nikomy tao amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Didy, distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro no naiditra am-ponja ary migadra mandritry ny efa-taona.

 

 Roavavy niray tsikombakomba tamin’izy ireo koa nahazo sazy mihantona dimy taona. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny ben’ny tanànan’i Didy,  Radoka Davidson, dia nilaza tamina mpandraharaha sy mpanao asa soa ao amin’ity kaominina ity, ireto andian’olona ireto  nilaza fa nangalatra ny taniny, ny tanimbary, ny tanim-pasany  ary  niray petsapetsa tamin’io mpanao asa soa io, ny ben’ny tanàna. Rehefa nidina tany an-toerana nanamarina izany ny Prefe dia tsy nisy ny halatra na dia iray aza fa fanosoram-potaka no natao tamin’io mpandraharaha io sy ny ben’ny tanàna.  Fanaovana asa soa, fananganana trano sekoly, fanamboarana ny lalana hampiasain’ny mponina, fametrahana fotodrafitrasa maro aza no nisy tao amin’ity kaominina  Didy ity fa tsy fangalarana tany velively, araka ny feo naely. Ireo telo lahy voalaza etsy ambony, dia nikononkonona fikomiana ary nitarika vahoaka nidina an-dalambe sy nilanja sorabaventy noho io filazana halatra tany io. Rehefa nandre izany ny kaomandin’ny zandary dia nandefa zandary roalahy iraka, hampiantso ireo mpitarika ny fikomiana. Nivadika ny rasa ary nolazain’izy ireo fa misy zandary hisambotra azy ireo, hono, ka mila mivory haingana ny vahoaka. Fampiantsoana no nataon’ireo iraka fa tsy hisambotra, hoy ny fanazavany. Izy ireo indray no voatoraka vato ka naratra. Voatery nanapoaka basy ireo zandary, ka niparitaka ny fokonolona tao Ambohibe. Ireto fokonolona izay novoriana ireto dia nolazaina sy nofitahana fa handoro ny fananan’io mpandraharaha io. Marihana fa olona niara-niasa tamin’ny ben’ny tanàna akaiky sy nifampihinana ny manta sy ny masaka tamin’io mpandraharaha io ireo olona nitarika fikomiana sy korontana  ireo. Voalaza koa fa nisy ny fihaonan’ireto mpitarika fikomiana ireto tamin’ny mpanao gazety teto Antananarivo ary nilaza izy ireo, fa olona 7 arivo ao Ambohibe no very fananana amin’izay fangalana ny taniny izay, nefa  rehefa nohamarinin’ny Bianco, ny Prefe, ny zandary, ny Ben’ny tanàna, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokanjiny tao Ambatondrazaka izany, dia tsy nisy velively ny halatra tany, fa fanaratsiana sy fanosoram-potaka aza no natao tamin’io mpandraharaha sy mpanao asa soa ary ny Ben’ny tanànan’i Didy io, hoy hatrany ny fanazavana azo.

 

Sitraka r.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana