Dans la męme rubrique

Fibodoana tanin`olona any Toliara Tompon’andraikitra tamin`ny FAT voarohirohy

24/02/2020

Miverina indray ilay raharaha hala-tany izay mahavoarohirohy tompon’andraikitra ambony iray tamin`ny tetezamita.

Fibodoana tanin`olona any Toliara Tompon’andraikitra tamin`ny FAT voarohirohy

Hamaky ny tohiny...

ENTONA FANDREHITRA Niaka-bidy hatrany amin’ny 11 %

24/02/2020

Misy fiantraikany amin’ny toekarena eran-tany ny fiparitahan’ilay otrik’aretina coronavirus any Sina.

ENTONA FANDREHITRA Niaka-bidy hatrany amin’ny 11 %

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-piadiana Nandriaka ny ra, lasa ny vola 14 tapitrisa Ar

24/02/2020

Nandriaka ny ra teny Malaza Andoharanofotsy. Vola hakana entana moa no nalainy.

Fanafihana mitam-piadiana Nandriaka ny ra, lasa ny vola 14 tapitrisa Ar

Hamaky ny tohiny...

Vary 106 taonina nodorana sy nalevina Nisy nangady sy nivarotra indray

24/02/2020

Ahiana hitera-doza any amin’ny distrikan’i Vohémar ilay vary efa lany daty ana orinasa iray tany Antsanimalo nalevina tao anaty lavaka ary nodorana.

Vary 106 taonina nodorana sy nalevina Nisy nangady sy nivarotra indray

Hamaky ny tohiny...

ZAIMAIKA ANALAKELY Nihotsaka ny tafo

24/02/2020

Nihotsaka, entana maro no simba Nihotsaka ny tafon-tranon’ny zaimaika, toerana fivarotana sakafo masaka etsy Analakely.

ZAIMAIKA ANALAKELY Nihotsaka ny tafo

Hamaky ny tohiny...

VEHIVAVY MANANA FAHASEMBANANA Mbola ailiky ny fiarahamonina hatrany

24/02/2020

Maro amin’ireo vehivavy manana fahasembanana no mbola ailiky ny fiarahamonina hatreto, indrindra fa eo amin’ny resaka asa.

VEHIVAVY MANANA FAHASEMBANANA Mbola ailiky ny fiarahamonina hatrany

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Ravalomanana mivady Nanome mari-pankasitrahana ireo zanaka zandary mendrika

24/02/2020

Notoloran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena Jeneraly Richard Ravalomanana mivady mari-pakasitrahana ireo zanaka zandary mendrika tamin’ireo fanadinana ara-panjakàna

Jeneraly Ravalomanana mivady Nanome mari-pankasitrahana ireo zanaka zandary mendrika

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fiterahana ieren-doza Vehivavy 2 amin’ny 5 no manatona tobim-pahasalamana

30/08/2019

Tafakatra 41% tamin’ny taon-dasa ny taham-pampiasana fomba fandrindram-piterahana maoderina eto amintsika, raha 5% monja teo aloha, 25 taona lasa izay.

 

 

 

Nivoitra io antontan’isa io, nandritra ny tomban’ezaka fanao isaky ny enim-bolana, mikasika ny fiaraha-miasan’ny governemanta Malagasy sy ny Tahirin’ny firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), natao ny zoma lasa teo. Tsikaritra ihany koa fa efa nihena ny taham-pahafatesan’ny vehivavy eo am-piterahana teo anelanelan’ny taona 1992 sy 2018 na dia mbola 10 isan’andro aza. Efa nihena 28% io taham-pahafatesana io, araka ny fantatra. Mbola ambany kosa ny fiterahana eny anivon’ny tobim-pahasalamana sy atrehin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Vehivavy 2 amin’ny 5 amin’izao fotoana. Ankoatra izay, heverina fa misy trangan’aretina mamany lava miisa 5.000 vaovao hita eto amintsika, kanefa dia 1.000 isan-taona monja no azon’ny hôpitaly eto amintsika amboarina, amin’ny alalan’ny fandidiana. Tanjon’ity tomban’ezaka ity ny hahafahana manoritra an’ireo ezaka mbola tokony hotratrarina, ao anatin’ilay fifanaraham-piaraha-miasa laharana faha-7 iarahan’ny governemanta Malagasy, ny UNFPA ary ireo mpiara-miombon’antoka.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana