Dans la mme rubrique

Kaominina Ivato Tratra ireo nivarotra vary lafobe

30/03/2020

Hentitra ny fanaraha-maso ireo mpivarotra manararaotra mampiakatra ny vidim-bary sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ao amin’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo.

Kaominina Ivato Tratra ireo nivarotra vary lafobe

Hamaky ny tohiny...

Petite vitesse, Anosibe Nakatona avokoa ny tsena

30/03/2020

Manoloana ny fitangoronan’ny olona marobe eny amin’ireo toerana ahitana tsenamaro toa an’Anosibe, Ambodin’Isotry,

Petite vitesse, Anosibe Nakatona avokoa ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Tohana ara-tsosilay Mitaky fanampiana ireo mpitondra Bajaj an’Ambohidratrimo

30/03/2020

Nahatsiaro no nataon’ny filoha ho zanak’Ikala hafa ireo mpitondra bajaj eny Ambohidratrimo nefa miasa eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka ihany koa no sady mitady izay harapaka isan’andro, rah any fampitam-baovao avy amin’izy ireo.

Tohana ara-tsosilay Mitaky fanampiana ireo mpitondra Bajaj an’Ambohidratrimo

Hamaky ny tohiny...

Sabotsy Namehana Milahatra isan’andro miandry fanampiana ireo zokiolona

30/03/2020

Very fanahy mbola velona ny sefom-pokontany ao Morondria, kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’Antananarivo Avaradrano.

Sabotsy Namehana Milahatra isan’andro miandry fanampiana ireo zokiolona

Hamaky ny tohiny...

Tsena mora Miteraka savorovoro…

30/03/2020

Ny sabotsy lasa teo nisy ny fampahafantarana fa miato aloha ny tsena mora eto Antananarivo eny anivon’ny Boriborintany 6, Atsimondrano, Avaradrano, ary Ambohidratrimo noho ny tsy fanajana ny lamina ara-pahasalamana.

Tsena mora Miteraka savorovoro…

Hamaky ny tohiny...

Mahajanga sy Fianarantsoa Nahazo fanampiana ireo mpianatry ny oniversite

30/03/2020

Tsy teo an-drenivohitra ihany fa dia nahazo ny anjarany tamin` ny “vatsy Tsinjo” na ny tohana ara-tsosialy ihany koa ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny oniversite Mahajanga sy Fianarantsoa.

Mahajanga sy Fianarantsoa Nahazo fanampiana ireo mpianatry ny oniversite

Hamaky ny tohiny...

CNaPS Vontovorona Olona araha-maso miisa 67 no mihiboka eny

28/03/2020

Anisan’ny toerana hametrahana ireo olona araha-maso ara-pahasalamana akaiky amin’izao fisian’ny valan’aretina Coronavirus eto Madagasikara izao ny eny amin’ny fotodrafitrasan’ny

CNaPS Vontovorona Olona araha-maso miisa 67 no mihiboka eny

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fampandrosoana an’Alasora Fokontany 20 hahazo jiro 3.000 isa sy boky 12 taonina

30/08/2019

Jiro 3.000 hanazava ireo lalambe sy lalankely rehetra ho an’ny fokontany 20 eny Alasora amin’ny alalan’ny tetikasa “Alasora mirehitra jiro” novolavolain’Atoa Jimmy Randriantsoa.

 

 

 Misy koa fiara sy fitaovana ara-informatika maro miampy boky 12 taonina mahery ho an’ny sekoly eny an-toerana’’, hoy Atoa Daniel Livon izay lefitry ny ben’ny tanànan’i “Carry le Rouet’’ kaominina any Frantsa omaly.  Vonona ny hanohy ny asa efa natomboka ny mpiara-miombon’antoka rehetra, hoy ity vahiny ity.‘’Jiro 100 no efa manazava ny ampahan’ny tanàna ety  aminay izao. Mbola hiampy izany amin’ity tetikasa ‘’Alasora mirehitra jiro’’ novolavolaiko ity’’, hoy kosa Atoa Randriantsoa  Jimmy. Angady nananana sy vy nahitana ka miara-miombon’antoka amin’izao ihany koa ny “Eléctricité Sans Frontière’’ sy ny ‘’Syndicat d’énergie de Saône et Loire’’ (Sydesl), ary ny kaominina “Carry-le-Rouet’’ any Frantsa.‘’Resy lahatra izahay any Eoropa, miara-miasa amin’Atoa Jimmy R. satria manampahaizana sy olona azo itokisana izy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa tahaka izao sy ireo mbola hatao’’,  hoy kosa Atoa Alban Curtit avy amin’ny ESF raha nijery ny asa efa vita teny: Ankadindratombo, Ambohimandraisoa, Ambatonjara, Ambodivoanjo, Alasora sy Est Mahazoarivo ary Sud Ambohipo. Ny fananana olona tahaka an’ity Injeniera ity dia antoka lehibe ho fampandrosoana ka haha kaominina filamatra an’Alasora eto Madagasikara, hoy ireo mpiara-miombon’antoka vahiny.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana