Toekarena
Vondrona Eoropeanina Hamatsy vola 22 tapitrisa dolara an’i Madagasikara
30/08/2019
Hanome vola mitentina 12 tapitrisa dolara ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ilay tetikasa AFAFI – Centre izay tetikasa ho fanampiana ara-bola ny fambolena sy ny seha-pihariana ahafahan’ny rehetra eto afovan-tany mandray anjara.
Ankoatra izay, mitentina 10 tapitrisa dolara kosa no hovatsiany amin’ny alalan’ilay tetikasa PADEIR na tohana ho an’ny fampiroboroboana ny fanondranana entana mankany ivelany sy ny fampivoarana ny any amin’ny faritra. Tontosa omaly teny amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola teny Antaninarenina ny fanavaon-tsoniam-pifanarahana mahakasika izany. Nisolotena ny fitondram-panjakana ny minisitry ny toekarena sy ny vola, Richard Randriamandrato sy ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana Lantosoa Rakotomalala. Mitentina hatrany amin’ny 22 tapitrisa dolara izany ny famatsiam-bolan’ny vondrona Eoropeanina amin’ireo tetikasa roa ireo izay nosoniavin’ny solontena maharitra miasa eto Madagasikara, Andriamatoa Giovanni Di Girolamo.
Tsirinasolo