Dans la męme rubrique

Resaka valifaty Novonoin’izy ireo ilay lehilahy namono an-drainy

28/02/2020

Ny alatsinainy 3 febroary teo dia nitrangana vono olona feno habibina tao amin'ny fokontany Sarinosy, kaominina Ambanivolo Etrotrika, distrikan’i Farafangana.

Resaka valifaty Novonoin’izy ireo ilay lehilahy namono an-drainy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Haraha-maso ireo mpandraharaha mpanafatra entana

28/02/2020

Hifarana anio ny atrikasa fanomanana ireo rafitra hanampiana ny fanondranana ara-barotra ao Toamasina na « Atelier de préparation de la mise en place des structure d’appui au exportateurs ( SAE ) ».

Toamasina Haraha-maso ireo mpandraharaha mpanafatra entana

Hamaky ny tohiny...

Lalana Soanierana-Tsimbazaza Lehilahy 60 taona voaendaka amin`ny 10 ora maraina

28/02/2020

Na dia vao tamin’ny 10 ora maraina aza ny andro dia tsy nahasakana jiolahy telo nanendaka lehilahy iray 60 taona teny Soanierana omaly.

Lalana Soanierana-Tsimbazaza Lehilahy 60 taona voaendaka amin`ny 10 ora maraina

Hamaky ny tohiny...

METEO Ampandrianomby “Manaraka teknolojia tsara ny fitaovana ampiasainay”

28/02/2020

Nanamarika ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby fa manaraka ny teknolojia tsara ny fitaovana ampiasain’ízy ireo

METEO Ampandrianomby “Manaraka teknolojia tsara ny fitaovana ampiasainay”

Hamaky ny tohiny...

Aviation civile de Madagascar Ahiana hamotika ny orinasa ny fanavaozana natao

28/02/2020

Mbola sary ratsy sarotra kosehina teo amin’ny tantaran’ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasikara ny nampiditra antsika tao anatin’ny “Annexe B” ny taona 2011 ary tsy nahafahana niala tao anatin’izany raha tsy ny taona 2016.

Aviation civile de Madagascar Ahiana hamotika ny orinasa ny fanavaozana natao

Hamaky ny tohiny...

Fitombon`ny mponin’Antananarivo Mila miomana ireo kaominina 27 manodidina

28/02/2020

Tao anatin` ny 15 taona farany dia mihoatra ny tokony ho izy ny isan`ny mponina ka nitombo avo roa heny izany eto an-drenivohitra.

Fitombon`ny mponin’Antananarivo Mila miomana ireo kaominina 27 manodidina

Hamaky ny tohiny...

Tsy fananana karatra, fahamamoana, vaky trano Olona 18 no nosamborina tany Vohemar

28/02/2020

Tsy mitsahatra manao fisafoana manerana ny distrikan’i Vohemar ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP any an-toerana.

Tsy fananana karatra, fahamamoana, vaky trano Olona 18 no nosamborina tany Vohemar

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fivarotam-panafody eto Iarivo Tafahoatra ny elanelam-bidiny

29/08/2019

Fanafody iray ihany, mitovy kazarana sy fiaviana, mitovy mpamatsy,

 

 

 sahala tanteraka ny marika na amin’ny baoritra fonosana na amin’ny taratasim-panondroana ny fampiasana ny fanafody na ny soratra eo amin’ilay fanafody na ny fetra farany ampiasana azy nefa samy hafa ny vidiny. Avo efatra heny ny elanelan’ny vidim-panafody amin’ny farmasia nefa samy eto an-drenivohitra. Mila mampitaha ihany raha tsy tena maika.

“Adrenaline” iray vidiana 9 000 ariary amin’ny faritra Andravoahangy, midina 3 900 ariary eny Mahavoky Besarety, 5 000 ariary mahery izany amin’ny hopitaly lehibe, kanefa 2 300 ariary eny Behoririka sy Antanimena. Samy eo Antanimena ihany dia misy mivarotra 4 000 ariary nefa 100m ny elanelany amin’itsy farany. Tsy entina hanalana baraka farmasia sanatria fa mba hitsinjovana ny olom-pirenena. Raha mandray andraikitra moa ny holafitra vao mainka tsara.

Mampitaha

Ekena fa ambony ny fahasalamana sy ny aina noho ny vola, saingy mila mandanjalanja mampitaha ihany. Rehefa manana ny marary izay mantsy amin’ny maha vonjy aina azy dia tsy misy fotoana hivezivezena fa izay mpivaro-panafody misy no idirana. Amin’ny fotoana mahasalama indray tsy mieritreritra ny hampitaha vidim-panafody. Izao fanadihadiana lalina izao dia heverina fa mety hahasoa ny vahoaka Malagasy.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana