Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Voapanga ho mpangalatra Nitsoaka sy nisitrika tao an-tranon’olona

28/08/2019

Roalahy nifampiampanga ho mpangalatra, nifamono avy any Ankadifotsy ary nihazo an’Andravoahangy.

 

 

Nihazakazaka  avy any amin’ny arabe ilay tovolahy ary tonga dia nitsoraka tao an-tokantranon’olona izay varavarana sendra nivoha. Afak’omaly atoandro no nisehoan’ny tranga. Nafeniny tamin’ireo olona izay nidirany fa natahotra fitsaram-bahoaka izy ka nolazainy fa marary. Vao mainka taitra ireo tao an-trano sy ny manodidina naheno azy io. Androbe na ramanenjana no noheverina nahazo azy ka raiki-tahotra sao tratran’ny areti-mifindra.

Afaka minitra vitsy, nisy feo nikiakiaka avy any lavitra niantso fa “Avoahy ilay mpangalatra teo”. Araka ny voazalan’ireo nanatri-maso, tsy navoakan’ ireo olona tao amin’ny trano nisitrihany avy hatrany  ilay nitsoaka ary nampaniraka ilay mpanenjika hihazo ny  fokontany fa tsy ankasitrahan’ireo mpiray tanàna ny fitsaram-bahoaka. Marihina fa ilay mpanenjika dia naratra ny tarehiny ary nilaza izy fa nodarohan’ilay nitsoaka ary lasan’ity farany ny volany.

 

Taorian’ny resaka ela nifanaovan’ny tompon-trano sy ilay mpanenjika dia navoaka ilay tovolahy mody manana aretina izay nampangain’ilay naratra fa mpangalatra ka nifanazava teo. Tsy nanaiky hanaraka ilay mpanenjika velively ilay nenjehina noho ny tahotra ny valifaty sy ny fitsaram-bahoaka ka nilaza fa tsy hiala eo izy raha tsy tonga ny manampahefana, indrindra ny mpitandro filaminana. Marihina moa fa samy mamo izy ireo ka tanteraka eto ilay fomba fiteny, ny mamo indray no miantso polisy.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana