Dans la męme rubrique

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

29/09/2020

Nanomboka omaly 28 septambra-04 oktobra ny hetsika fanentanana ny daholobe hiompy sy hanao vaksiny ny alika, ka isan’ny miantsoroka sy manome vahana izany ny Minisiteran’ny fahasalamana. Isan’ny paikady misoroka aretina maro ho an’ny alika ny famosirana azy.

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

VAKY TRANO TENY ANOSIPATRANA Tovolahy efa nigadra voasambotra

28/08/2019

Tovolahy 18 taona iray efa mpamerin-keloka, no mbola tra-tehaky ny polisy avy nangalatra.

 

 Efa nigadra valo volana io tovolahin’Anosipatrana io ary voasambotry ny polisy avy ao Ilanivato ny faran’ny volana jolay teo rehefa avy namaky tranon’olona ka nibata ny vata fahitalavitra. Mpiara-monina aminy teo Anosipatrana ihany ilay lasibatra. Tamin’ny 12 ora atoandro, hitany  nivoaka ny tompon-trano  ka nobatainy ny vata fahitalavitra. Nafeniny  tao an-tranony izany. Nisy nahatsikaritra ka rehefa niverina ny tompon-trano tamin’ny 1 ora tolakandro ka nahita ny vaky trano dia niantso polisy. Nivantana tao an-tranon’ilay tovolahy  ny mpitandro filaminana ka tratra tao ilay vata fahitalavitra.

Teny an-dalana hatao fanadihadiana no tafaporitsaka ilay tovolahy ary nokarohina. Nahazo vaovao ny polisy fa eny Anosibe no miafina izy, ka ny zoma 23 aogositra 2019 teo no voasambotra. Nanondro ny mpiray tsikombakomba aminy tamin’ny fanafenana ireo entana halatra ary koa ny mpimasy izay lazainy fa mpanome fanafody azy izy,  ka olona telo hafa ihany koa no voasambotra taorian’ny famotorana ary anisan’izany ny renin’ity tovolahy ity.  Efa natolotra ny fampanoavana izy efatra ireto ny alatsinainy teo. Efa nifonja nandritra ny 8 volana izy noho ny antony fanendahana ary nivoaka ny fonja ny volana desambra 2018.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana