Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanendahana eny Ambodin’Isotry Roalahy nifanesy voasambotra

28/08/2019

Halatra finday sy vola no nahatrarana ireo jiolahy roa. Ny faran’ny herinandro teo, roalahy no voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-4 etsy Isotry,

 

 

ny fisafoana izay tsy miato andro sy alina amin’iny faritra iny no nahafahana  nisambotra ireto mpanendaka ireto. Ny sabotsy 24 aogositra tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro dia tovolahy 15 taona no lasibatry ny mpangarom-paosy teny ambodin’Isotry, finday 1 izay tao am-paosiny no nosokirina lehilahy iray tamin’io fotoana io. Henony anefa izany ka niantso vonjy izy. Vaky nandositra ilay olon-dratsy saingy voasambotry ny polisy tsy lavitra teo.

Lehilahy 29 taona kosa no tratra teo am-panendahana lehilahy teo Ambodin’Isotry ny alahady tamin’ny 4 ora tolakandro. Narahiny avy ao aoriana ilay lehilahy ary teo am-pisokirana ny vola tao am-paosiny izy no nisy nahita ary voasambotry ny fokonolona. Natolotra ny polisy izay nandalo nanao fisafoana tsy lavitra teo izy. Niaiky ny helony izy nandritra ny fanadihadiana azy.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana