Dans la mme rubrique

Mpanao gazety Arphine Helisoa Hiakatra fampanoavana anio

04/04/2020

Nampanantsoin’ny Sampana miandraikitra ny “Cybercriminalité” i Arphine Helisoa (Arp Helisoa) mpanao gazetin’ny Valosoa omaly,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana tsy mahafehy vahoaka Mahasorena ireo manara-dàlana

04/04/2020

Tsy voafehin’ny fanjakana ny vahoaka, tsy manaraka ny baikon’ny filoham-pirenena, goragora tanteraka toa manao izay saim-patany,…

Fanjakana tsy mahafehy vahoaka Mahasorena ireo manara-dàlana

Hamaky ny tohiny...

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

03/04/2020

Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Sahirana amin` ny ateraky ny fepetra tsy maintsy hajaina ho fisorohana sy ho fisakanana ny tsy hiparitahan` ny valan`aretina “coronavirus”.

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

03/04/2020

Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amintsika izao. “Maninona ny olona no tsy manaraka ny

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

Hamaky ny tohiny...

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

03/04/2020

Feno omaly maraina ny fepetra maha-rivodoza ireo tangoron-drahona any amin’ny faritra avaratry ny nosy iny.

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

02/04/2020

Tsy mety ilay mampiasa ity fanomezana ity ho an’ny fomba amam-panao politika tsy madio. Mila manaraka tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana,

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

Hamaky ny tohiny...

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

02/04/2020

Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Andry Rajoelina any Japon “Andao hiadiana ny tsy fanjarian-tsakafo…”

28/08/2019

Tanterahina any Yokohoma manomboka anio 28-30 aogositra ny fihaonam-be iraisam-pirenen’i Tokyo momba ny fampandrosoana an’i Afrika andiany faha-7 na ny “TICAD 7”, ka mandray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina.

 

 

 

 Lohahevitr’ity andiany ity ny «Fanatsarana ny fampandrosoana an’i Afrika amin’ny alalan’ny Olombelona sy ny teknôlôjia ary ny fanavaozana ». Mialoha izay, nandray anjara tamin’ny fivorian’ny IFNA na “Initiative for Food and Nutrition Security in Africa” omaly talata 27 aogositra 2019 ny filoha, ka niresahany ny fametrahana rafitra manerana ny nosy manohana ny politika natokana hanatsarana ny fahazarana ara-tsakafo, ny fampitomboana ny vokatra ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fandaharan’asa mamatsy vola ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary fananganana orinasa manodina fanampin-tsakafo feno otrikaina toy ny moringa sy « spiruline », indrindra fa any atsimo ; ny fitantanana tsara ireo loharanon-drano amin’ny alalan’ny tetikasa fanondrahana sy fizarana rano ireo tany fambolena ary amin’ny alalan’ny fiarovana ny fananan-tany sy fanamorana ny fahazoan’ireo tantsaha ny akora fampiasany ; ny fanomezana asa mendrika ho an’ny rehetra,…. Nanao antso avo amin'ireo mpiara-miombon’antoka japoney sy vahiny mba hifanome tanana sy haneho firaisankina amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mba hitsinjovana ny taranaka izy. Tena izany tokoa ve ny politika ampiharin’ny fanjakana Rajoelina eto amintsika sa kabary ambony latabatra any anaty fihaonana iraisam-pirenena fotsiny ? Nihaona tamin’ny filohan’ny “Agence japonaise de cooperation internationale" na JICA sy ny filohan’ny vondrona japoney momba ny fifandraisana ara-barotra na JETRO ihany koa ny filoha Rajoelina. Ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny sehatry ny fambolena ary ny fanabeazana no tena hifantohan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny JICA sy Madagasikara. Ny fijerena ny fomba hahafahana mampiroborobo ny fifandraisana ara-barotra misy eo amin’ny Japon sy Madagasikara kosa no votoatin’ny fihaonan'ny filohan’ny JETRO sy ny filoha malagasy Andry Rajoelina.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana