Dans la mme rubrique

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...

Kandidà IRD Hialokalofan`ny mpamadika palitao

18/09/2019

Amin`ny 24 septambra izao no hivoaka ny tatitra ofisialy havoakan` ny CENI momba ireo kandidà hirotsaka hofidiana ben`ny tanàna ary

Kandidà IRD Hialokalofan`ny mpamadika palitao

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala « Famitahana vahoaka foana ve no iainana eto ? »

18/09/2019

Mahagaga, hoy ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, fa efa tamin’ny 9 jolay no tafapetraka tao amin’ny biraon’ny fitsarana

Maitre Olala « Famitahana vahoaka foana ve no iainana eto ? »

Hamaky ny tohiny...

Mpanolotsain`ny tanàna Manana andraikitra goavana

18/09/2019

Ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha 150-151 dia mamaritra ny andraikitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Mizara roa ny ao amin`ny tanàna.

Mpanolotsain`ny tanàna Manana andraikitra goavana

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Tsy hita taratra ny fampiharana ny demokrasia

18/09/2019

Krizy politika fahadimy no andalovan`i Madagasikara taorian`ny famerenana ny fahaleovantenany. Ireo krizy nifanesy, nanomboka ny taona 1972 hatramin`ny aprily 2018,

Madagasikara Tsy hita taratra ny fampiharana ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Tsy mora ny maka ny fon’Antananarivo

18/09/2019

Ny fanamarihana azo aroso raha ny vokatra teto Antananarivo rehefa fifidianana no raisina dia tsy midika ho fandresena avy hatrany ny famoriana vahoaka.

Fifidianana Tsy mora ny maka ny fon’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

16/09/2019

Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...


Politique

2009-2019 Misy afera maro tsy mazavazava

28/08/2019

Misy zavatra sy tranga marobe tsy mazavazava mifandraika amin’ny politika maizina teto Madagasikara nanomboka ny 2009 hatramin’izao 2019 izao.

 Maro ny vavolombelona nahita ka ao ny efa maty ary misy ny mbola velona fa mifidy ny hifitsaka. Misy ny nomena seza. Misy ny mahalala zavatra ka voatery niala teto Madagasikara sy miaina any ivelany noho ny fanahiana ny ainy. Misy ny manao ampamoaka tahaka an’i Fleury Rakotomalala, toy ny niresahany ny raharaha 7 febroary 2009 izay efa nanamelohana an-dRavalomanana, saingy nolavin’ity farany hatramin’ny farany. Nampisehoan’i Fleury Rakotomalala ny sary samihafa nilazany fa tetika efa maty paika ny 7 febroary, izay ivon’ny fanonganam-panjakana 2009. Nisy ny olona efa tafasaoty any amin’ny tsy tokony ho voatifitra kanefa tratry ny bala ka avy any an-dapa ve izany, hoy izy. Teo ihany koa ny filazany fa avy any amin’ny seranan-tsambon’i Vohémar no niditra ireo fitaovam-piadiana saika hanaovana ady an-trano teto. Ny fampiasam-bola be tsy fanta-piaviana tamin’ny propagandy moa dia zary nangina, na ny Vondrona Eoropeanina izao aza no nilaza fa nizara vola ny kandida Rajoelina. Izany rehetra izany no mety nahatonga ny fanapahan-kevitra tamin’ny voka-pifidianana filoha ho heverina fa fanapahan-kevitra politika fa tsy teknika hoe: aleo atao i Andry Rajoelina no lany fa tsy I Marc Ravalomanana. Afera tsy mazava mandrak’androany ny mahakasika 2 baoritra tratra nentin’ny depiote Lanto Rakotomanga ny 8 jolay 2015, izay nalaza fa saika hamatsiana fanakorontanana firenena tsy nahomby,… Raharaha iray hafa isan’ny lehibe ny fahafatesan-dRtoa Nadine Ramaroson. Feno 8 taona katroka anio 28 aogositra ny nahafatesan’ity minisitry ny mponina teo aloha ity, izay namoahan’ny tranonkala  http://collectif-gtt.org fa olona akaiky ny filoha ihany no nampamono azy tamin’ny alalan’ny loza nomanina. Nisy fivoriana tamina Lapam-panjakana iray ny 13 jolay 2011 nikotrehana izany, ka olona ambony, minisitra, manamboninahitra, teratany karana,… no nikaondoha, hoy io loharanom-baovao io. Na ara-politika na ara-tsosialy, toa nisy olona ambony takony sy mpanao afera voakitikitika tombotsoa. Tsy voatery ho vaovao diso na “fake news” daholo rahateo ny ampamoaka mivoaka amin’ny facebook sy ny twitter, fa mila porofoina ny maha diso azy raha diso tokoa. Tsy mety ilay hoe ajanona sy boriboriana fotsiny amin’izao sy lazaina fotsiny hoe: “adala” io, tahaka ilay natao tamin’ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay vavolombelona sy nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana 2009 nilaza ny tsiambaratelo maro.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana