Dans la mme rubrique

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

16/09/2019

Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

16/09/2019

Miisa 6 129 ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben`ny tanàna voarain`ny CENI. Nahitana kandidà avokoa ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy.

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

16/09/2019

Hita taratra amin’izao filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao ny tsy fahatokisana intsony ny hisian’ny lalao madio.

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

16/09/2019

Amin ny talata 24 septambra ho avy izao ny lisitra ofisialy avy amin’ny CENI. Ny tatitra ofisialy no hahafantarana ny isan`ny kandidà narotsaky ny antoko, tsy miankina, lehilahy sy vavy, ny andraikitriny avy.

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

Hamaky ny tohiny...

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

16/09/2019

Mandeha ny kajikajy politika amin’ny resaka fifidianana ben’ny tanàna izay hatao tsy ho ela.

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

16/09/2019

Hitondra ny anjara birikiny ao amin’ny kaominina Arivonimamo, ny kandida Rarija Rajo Tsiferantsoa, izay nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC tao Arivonimamo, ny zoma lasa teo

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ben’ny tanànan’i Didy Haratsiana sy sakanana tsy ho kandida…

28/08/2019

Misy ambadika politika ! Mandeha ny karazana fanaratsiana ny ben’ny tanànan’i Didy, ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro.

 

 

 

Araka ny fanazavana voaray taminy, atoa Radoka Davidson, dia nofinganina mba tsy hirotsaka ben’ny tanàna amin’ny fifidianana ho avy izao ny tenany. Noharatsiana ihany koa izy ary nolazaina aza fa nanodikodim-bolan’ny kaominina. Ireo fotodrafitr’asa nataony aza tsy misy mandeha amin’ny laoniny, hoy ny fanaratsiana sy fankahalana azy tsotra izao. Nolazaina ihany koa, fa niray petsapetsa tamina mpandraharaha iray mpanao asa soa ho nangalatra ny tanin’ny fokonolona  izy. Nahitsy fiteny anefa ity ben’ny tanàna ity fa hatramin’ny efatra taona nitantanany ny kaominina Didy,  dia maro ireo fotodrafitrasa vitany, toy ny lalana ratsy rehetra ao amin’ny fokontany 13 mandrafitra ny kaominina, ny biraon’ny EPP nohatsaraina, ny fahavitan’ny CEG  ao Vohidrazana ary ny Lisea ao Ambohibe sy Fierenana. Amin’izao anefa, dia mbola mangataka ny hilatsahan’io ben’ny tanàna io fanidiminy ny vahoaka ao Didy, hoy hatrany ny fanazavany. Marihana, hoy ingahy ben’ny tanàna, fa sakanana an-kolaka  izy ary misy ambadika politika izao fanakanana azy tsy hirotsaka izao.

 

 

Sitraka r.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana