Dans la męme rubrique

Resaka valifaty Novonoin’izy ireo ilay lehilahy namono an-drainy

28/02/2020

Ny alatsinainy 3 febroary teo dia nitrangana vono olona feno habibina tao amin'ny fokontany Sarinosy, kaominina Ambanivolo Etrotrika, distrikan’i Farafangana.

Resaka valifaty Novonoin’izy ireo ilay lehilahy namono an-drainy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Haraha-maso ireo mpandraharaha mpanafatra entana

28/02/2020

Hifarana anio ny atrikasa fanomanana ireo rafitra hanampiana ny fanondranana ara-barotra ao Toamasina na « Atelier de préparation de la mise en place des structure d’appui au exportateurs ( SAE ) ».

Toamasina Haraha-maso ireo mpandraharaha mpanafatra entana

Hamaky ny tohiny...

Lalana Soanierana-Tsimbazaza Lehilahy 60 taona voaendaka amin`ny 10 ora maraina

28/02/2020

Na dia vao tamin’ny 10 ora maraina aza ny andro dia tsy nahasakana jiolahy telo nanendaka lehilahy iray 60 taona teny Soanierana omaly.

Lalana Soanierana-Tsimbazaza Lehilahy 60 taona voaendaka amin`ny 10 ora maraina

Hamaky ny tohiny...

METEO Ampandrianomby “Manaraka teknolojia tsara ny fitaovana ampiasainay”

28/02/2020

Nanamarika ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby fa manaraka ny teknolojia tsara ny fitaovana ampiasain’ízy ireo

METEO Ampandrianomby “Manaraka teknolojia tsara ny fitaovana ampiasainay”

Hamaky ny tohiny...

Aviation civile de Madagascar Ahiana hamotika ny orinasa ny fanavaozana natao

28/02/2020

Mbola sary ratsy sarotra kosehina teo amin’ny tantaran’ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasikara ny nampiditra antsika tao anatin’ny “Annexe B” ny taona 2011 ary tsy nahafahana niala tao anatin’izany raha tsy ny taona 2016.

Aviation civile de Madagascar Ahiana hamotika ny orinasa ny fanavaozana natao

Hamaky ny tohiny...

Fitombon`ny mponin’Antananarivo Mila miomana ireo kaominina 27 manodidina

28/02/2020

Tao anatin` ny 15 taona farany dia mihoatra ny tokony ho izy ny isan`ny mponina ka nitombo avo roa heny izany eto an-drenivohitra.

Fitombon`ny mponin’Antananarivo Mila miomana ireo kaominina 27 manodidina

Hamaky ny tohiny...

Tsy fananana karatra, fahamamoana, vaky trano Olona 18 no nosamborina tany Vohemar

28/02/2020

Tsy mitsahatra manao fisafoana manerana ny distrikan’i Vohemar ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP any an-toerana.

Tsy fananana karatra, fahamamoana, vaky trano Olona 18 no nosamborina tany Vohemar

Hamaky ny tohiny...


Tranga

FITATERAM-BAHOAKA Saran-dalana tapa-dalana nampisavorovoro

27/08/2019

Olan’ny saran-dalana tsy nidina nefa ny solika nahitana fihenam-bidy no nahatonga ny ady tamina taksibe iray.

 

 Teo Anosy no nanomboka ny sakororoka ary nitohy hatreny 67ha. Nisy mpandeha taksibe iray nanome saran-dalana 400 ariary izay noheveriny fa tapa-dalana, ny alahady maraina teo. Nitrerona anefa ilay mpamily mpanampy  fa tokana ny saran-dalana, 500 ariary ihany. Mbola nisy tovolahy hafa indray anefa teo Ampefiloha ka 300 ariary no nomeny. Vao mainka avo vava hatrany ilay mpitaky saran-dalana ary nilaza hatrany fa tokana ny saran-dalana. Ilay nanome vola anefa nanamafy fa eo amin’ny fokontany 67ha Atsimo izy no miala.

Tsy zakan’ireo mpandeha ny teny mandratran’ilay mpamily mpanampy, ary nanampy trotraka izany ny teny ratsin’ilay mpamily izay niaro ity namany. Najanon’izy ireo ilay fiara, notereny hidina ireo olona ary nanaovany feo avo sy vava tsy ambina sady nandidy ilay mpitango saran-dalana ny mpamily mba hamerina ny saran-dalan’ireo. Niray hina ny mpandeha rehetra ka raikitra ny fifamazavazana.

Tsy rariny

Manoloana ny be no ho vitsy, nilefitra tsy fidiny ireo tompona fiara. Nilaza izy ireo fa tafahoatra koa ny “versement” enjehin’izy ireo amin’ny andro tsy fiasana. Misy amin’ireo mpamily taksibe sy ny mpanampy azy anefa, ankoatra ny karamany isam-bolana, hatramin’ny niakaran’ny saran-dalana ho 500 ariary, indrindra tamin’ny fidinan’ny  vidin-tsolika no mahazo hatramin’ny 100 000 ariary avy amin’ny andro iray.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana