Dans la męme rubrique

Fanoheran’ny olona ny orinasa Tozzy Green Ahiana ny fifandonana ao Ambatolahy Ihorombe

24/02/2020

Nanao fivoriam-be ny vahoaka tao amin’ny kaominina Ambatolahy, any amin’ny faritra Ihorombe ny faran’ny herinandro teo.

Fanoheran’ny olona ny orinasa Tozzy Green Ahiana ny fifandonana ao Ambatolahy Ihorombe

Hamaky ny tohiny...

Trano lehibe iray ao Ambodivoanjo-Ivandry Mivarina any amin’ny mpifanila vodirindrina ny rano malotony

24/02/2020

Mibosesika any an-tanànan’ny mpifanila vodirindrina aminy ny rano maloto avy amin’ny tanàna lehibe iray ahitana tranobe misy rihana maromaro ahofa eny Ambodivoanjo-Ivandry.

Trano lehibe iray ao Ambodivoanjo-Ivandry Mivarina any amin’ny mpifanila vodirindrina ny rano malotony

Hamaky ny tohiny...

NOSY BE HELL VILLE ZAZA 10 TAONA SAIKA HALAINA AN-KERINY

24/02/2020

Zazalahy 10 taona no nokasain'ny tovolahy 16 taona ho alaina an-keriny saingy tratran'ny fokonolona tao Belazalaza, fkt Dar-Es-Salam Cr Djamandjar dist Nosy be Hell-ville, ny alin'ny 21 febroary 2020.

NOSY BE HELL VILLE ZAZA 10 TAONA SAIKA HALAINA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...

Olan’ny Fanabeazana eto Madagasikara Misintona lakolosy ny PASEM

21/02/2020

Nanao fanambarana sy antso tetsy amin’ny Complexe Ampefiloha omaly ny eo anivon’ny fiaraha-mientan’ny fikambanana sy sendikan’ny fanabeazana eto Madagasikara na PASEM fa

Ankadifotsy Tratra ilay ray nanolana ny zanany vavy

21/02/2020

Lehilahy iray, 37 taona no voasambotry ny polisy teny Ankadifotsy omaly alakamisy noho ny resaka fanolanana.

Ankadifotsy Tratra ilay ray nanolana ny zanany vavy

Hamaky ny tohiny...

RN2 sy RN 44 Tsy misy firy intsony ny fanafihana

21/02/2020

Nahafa-po ny valin'ny tomban'ezaka vita tamin'ny hetsika natao ho fiarovana ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-44 ao anatin'ny Faritra Alaotra Mangoro nandritra ny faran'ny taona 2019

RN2 sy RN 44 Tsy misy firy intsony ny fanafihana

Hamaky ny tohiny...

Tranga

By Pass - Loza mahatsiravina Maty ny mpamily, vehivavy iray naratra

27/08/2019

Maty nosokirina ilay mpamily, tsaboina eny amin’ny hopitaly kosa ilay renim-pianakaviana bevohoka izay voafaoka.

Io no fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandary avy ao Andoharanofotsy tamin’ny tafa manokana tamin’ny mpanao gazetinay mahakasika ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny By-pass. Teo amin’ny lalambe mikodana ho any Iavoloha, akaikin’ny tobin-dasantsy “Jovenna”, avy any Alasora no nitranga ny loza. Fiarabe an’ny orinasa mpanao lalana iray no nifaoka io renim-pianakaviana io ka naratra mafy ary efa nentin’ireo nanatri-maso tany amin’ny ivon-toeram-pitsaboana sahaza azy, omaly sahabo ho tamin’ny 6ora sy sasany hariva. Tsy nahatratra azy teo ireo mpitandro filaminana, raha ny fampitam-baovaon’izy ireo hatrany noho ny hakingan’ny olona nandray andraikitra.

Nanampy fanazavana ny zandary avy ao Andoharanofotsy fa nosokirina tao anatin’ilay fiara vaventy ny mpamily  izay nidofotra tamin’ny vatana fiara fitondrana entana na “remorque”.  Voatery niantsoana mpamonjy voina mihitsy ary ora maro vao voasokitra tao. Noho ny dona sy ny ratra ary ny fahaverezan-dra be loatra nahazo azy dia tsy tana ny ainy. Mampatsiahy hatrany ny manampahefana, indrindra ny mpitandro filaminana amin’ny fanajana ny fetran’ny hafainganam-pandehan’ny fiara mba isorohana hatrany ny loza.

Haja Nirina

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana