Dans la mme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mpanendaka nidi-kizo teny Andraisoro Voasinton’ilay vehivavy voaendaka ny kara-panondrony

26/08/2019

Tratran’ny vehivavy lasibatry ny sintomahery ny kara-panondrom-pirenen’ny mpangarom-paosy iray teny Andraisoro.

 

 

 

Ny poketran’ny lehilahy mpanendaka izay azon’ilay lasibatra no nahitana io kara-panondrony io ka nentina teny amin’ny polisy niaraka tamin’ny fitarainana. Tamin’ny alalan’izay kara-pamantarana manokana amin’ny maha olom-pirenena izay no niainga ny fikarohana notanterahin’ny mpitandro filaminana. Lehilahy roa no voasambotry ny polisin’ny kaomisarian’Antaninandro ny alarobia teo, teny Andraisoro. Raha iverenana ny tranga, tamin’ny alin’ny 8 aogositra teo  no voaendaka teny Andraisoro ny vehivavy iray. Lasan’ny olon-dratsy ny fananany.

Tsy nanaiky lembenana anefa io renim-pianakaviana io ka raha variana nifantoka tamin’ny halatra ny entany ny mpanao ratsy dia voajokony kosa ny kitapo kelin’ity farany izay teny am-babeny. Ny zoma 9 aogositra no nametraka fitarainana ilay lasibatra sy nanatitra ilay kitapo. Rehefa nosavaina io dia nahitana ilay kara-panondro. Lehilahy iray hafa ihany koa no niara-voasambotra taminy. Efa nisy raharaha hafa koa mahakasika fanendahana ihany  nikarohana ity mpanao sinto-mahery ity. Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, tsy mbola voaverina tamin’ny tompony ny zavatra very. 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana