Dans la mme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanararaotana sy halatra niainga tamin’ny “facebook” Tovolahy 23 taona voasambotry ny polisy

26/08/2019

Tovolahy 17 taona nifanoratra tamina tovovavy 1 voalaza fa tsara tarehy tao anaty fesiboky.

 

 

 Rehefa nifampiresaka elaela izy ireo dia nifampitory fitia ary nifanao fotoana. Nony tonga ny ora sy ny toerana voatondro nifanomezana dia nilaza ilay tovovavy fa tsy afaka, mbola manao “douche” fa ny anadahiny no hitsena azy. Tonga tokoa ilay nolazaina fa anadahiny ary nampandroso ilay tovolahy tany an-trano. Rehefa tafiditra ny varavarana dia nivadika ny resaka. Norahonan’ilay milaza fa anadahin’ilay vehivavy ilay tovolahy ary nilaza izy fa zanaka mpitsara ny anabaviny sady tsy ampy taona koa. Nohararaotiny nosavaina ary nalaina ny finday marika samsung S7 an’ilay tovolahy nolazainy fa nanodinkodina ny zandriny vavy. Tamin’izay no nahitany  “carte bancaire” teny aminy. Nohadihadiany teo ny momba ilay tovolahy ary fantany fa mipetra-drery. Nohararaotiny hatrany ary nataony ny fomba nahatongavana tany an-tranon’ilay tovolahy 17 taona. Nasainy naka vola 700.000Ariary tamin’ilay « carte bancaire » ary nobatainy ihany koa ny solosainan’ilay tovolahy tao amin’ny trano fonenany. Nitantara ny zavatra nahazo azy tamin’ny fianakaviany ilay tovolahy avy eo. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy sampana « cybercriminalité » Anosy izy ireo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo tompondraikitra ka tra-tehaka teny Ambohimiandra Mahazoarivo ilay lehilahy 23 taona nandrahona sady naka ny solosainan’ilay tovolahy. Tamin’ny fisavana ny trano fonenany dia mbola hita tao ilay solosaina nalainy an-keriny, nahitana fonosana rongony niaraka tamin’ny vola 300.000Ariary ambin’ilay vola 700.000Ariary nalainy.

Sitraka r.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana