Dans la mme rubrique

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hampiharina eto Antananarivo ny tetikasa SARU

21/02/2020

Mandray ny tetikasa « SARU » na « Renforcement de la résilience climatique dans les Systèmes alimentaires en Régions Urbaines à Madagascar » ny kaominina Antananarivo.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hampiharina eto Antananarivo ny tetikasa SARU

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Tahisy Nidoboka eny Antanimora i Fanà

21/02/2020

Taorian’ny fiakarana fampanoavana omaly, dia nalefa any am-ponja vonjimaika i Fanantenana na i Fana olon-tian’i Tahisy niaraka

Raharaha Tahisy Nidoboka eny Antanimora i Fanà

Hamaky ny tohiny...

Tranombokim-pirenena Vita ny fanisana sy ny fandraisana an-tsoratra ireo boky rehetra

21/02/2020

Mitohy hatrany ny fanatsaran'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina ny tranombokim-pirenena eto Madagasikara.

Tranombokim-pirenena Vita ny fanisana sy ny fandraisana an-tsoratra ireo boky rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tsenam-baro-panjakana Mitohy ny ezaka hampihenana ny kolikoly

21/02/2020

Sambany no hisy eto amintsika ny oniversite manofana mpianatra ho matihanina amin’ny resaka Tsenam-baro-panjakana ( FACDEGMIA). Ao amin’ny oniversiten’i Toamasina

Tsenam-baro-panjakana Mitohy ny ezaka hampihenana ny kolikoly

Hamaky ny tohiny...

Hetsika FEPA andiany faha-12 Hasongadina ny tontolo ambanivohitra

21/02/2020

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny foiben’ireo Malagasy matihanina amin’ny fambolena sy fiompiana etsy Nanisana na MPE omaly ny fanokafana indray ny hetsika foara FEPA

Hetsika FEPA andiany faha-12 Hasongadina ny tontolo ambanivohitra

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny PMU Nisy nantsoina indray ny sasany omaly

21/02/2020

Anisan’ny vaovao nitana ny sain’ny maro hatramin’ny omaly ireo mpiasan’ny PMU Madagascar miisa 800 voatery naato tampoka

Mpiasan’ny PMU Nisy nantsoina indray ny sasany omaly

Hamaky ny tohiny...

Maître Feno eny Itaosy «Mbola mitsabo sy mamaha olan’ny olona aho »

21/02/2020

Niniana naely tany anaty tambajotran-tserasera rehetra tany ny vaovao tsy marim-pototra nilaza fa efa tsy eto Madagasikara intsony fa lasa nifindra fonenana any ivelany Randimbiarimanana Feno na i Maître Feno

Maître Feno eny Itaosy «Mbola mitsabo sy mamaha olan’ny olona aho »

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fandahavana hahazoana rano Ho vita amin’ny faran’ny volana ny eny Atsimondrano...

26/08/2019

Miezaka manatanteraka ny teniny ny orinasa JIRAMA sy ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo amin’ny famatsiana rano ny mponin’Antananarivo.

 

 

 

Mandroso araka ny tokony ho izy ny asa fametrahana forazy « forage » eny Antsahamasina, kaominina Ambohidrapeto. Ity farany izay tafiditra anatin’ny faritra Andrefan’Antananarivo, izay zara raha mahazo rano fisotro madio avy amin’ny orinasa JIRAMA. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny fidinana ifotony notanterahin’ny minisiteran’ny Angovo sy ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny orinasa JIRAMA  niaraka tamin’ireo sefo fokontany hahazo tombontsoa amin’ity tetikasa ity. Efa azo tsapain-tanana ny famokaran-drano avy amin’ny alalan’ny «forage» eny Ambohidrapeto. Vinavinaina ho vita amin’ity faran’ny volana ity ny asa ary afaka hamokatra rano 100m3 isan’ora ireo «forage» miisa enina hapetraka eny an-toerana. Nanome toky ny teknisianina fa hamaha ny olana amin’iny faritra Andrefan’Antananarivo iny ity tetikasa ity ary atsy ho atsy dia hiitatra any amin’ireo faritra hafa toy ny faritra Avaratr’Antananarivo (Sabotsy Namehana sy ny manodidina), ny faritra Atsimo (Ambohijanaka, Andoharanofotsy, Mahalavolona, …), ny fametrahana «forage». Tsiahivina moa fa notanterahina ny faran’ny herinandro teo koa ny fanombohan’ny fametrahana ireo «citerne» goavana, mahazaka hatramin’ny iray alina litatra, manerana ny fokontany miisa 23 ao amin’ny faritra Andrefan’Antananarivo.

 

Pati sy Marigny

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana