Dans la mme rubrique

Fampandrosoana sy gaboraraka Tsy afaka hiaraka mandrakizay

14/02/2020

Adihevitra tsy hifankahitana indray no ateraky ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fiadidian’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny fanapahan-kevitra nanaisotra ireo mpivarotra amoron-dalana ho an’ny tombontsoan’ny rehetra.

Fampandrosoana sy gaboraraka Tsy afaka hiaraka mandrakizay

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Tangalamena “Aleo hataonay ny fampihavanam-pirenena”

14/02/2020

Mbola mitombina ny fanaovana fampihavanam-pirenena araka ny fomba maha Malagasy, hoy ny fikambanan’ny Tangalamena eto Madagasikara.

Fikambanan’ny Tangalamena “Aleo hataonay ny fampihavanam-pirenena”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Mikatso tanteraka ny fampandrosoana”

14/02/2020

Tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra omaly fa voatendry ny governora eo anivon’ ny faritra Vakinankatra sy Vatovavy Fitovinany.

Rivo Rakotovao “Mikatso tanteraka ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ny Renivohitra Mila lamina maty paika

14/02/2020

Hita ho somary sahirana ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, amin’ny fandaminana an’Antananarivo renivohitra, tsy misy ny vahaolana mahomby momba ireo mpivarotra anaty arabe sy amoron-dalana.

Fampandrosoana ny Renivohitra Mila lamina maty paika

Hamaky ny tohiny...

Depiote mikasa hanongana praiminisitra Diso lalana, hoy ny ABA

14/02/2020

Ao anatina firenena demokratika isika ary lalao politika io mitranga eny amin’ny antenimieram-pirenena io, hoy ny filoha mpanorina ny antoko politika ABA, Dany Rakotoson,

Depiote mikasa hanongana praiminisitra Diso lalana, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Iles Eparses, Rova, Kianja Mahamasina 4 volana sisa ananan’ny fanjakana

13/02/2020

Mandeha ny ora sy ny fotoana, ary mihazakazaka tahaka izany ny raharaham-pirenena.

Iles Eparses, Rova, Kianja Mahamasina 4 volana sisa ananan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Potehin’ireo mpanao politika

13/02/2020

Taorian’ny vanim-potoana nahafaty an’ny kolonely Ratsimandrava dia efa nieritreritra ny rehetra fa aorian’ny ra mandriaka fanaovana sorona ny zana-bahoaka taorian’ny krizy 1972 dia angamba ho vita hatreo ny fanaovana sorona sy fitiavan-tena sy sezan’ny mpanao politika.

Madagasikara Potehin’ireo mpanao politika

Hamaky ny tohiny...


Politique

Sata mifehy ny mpanohitra Hihemotra ny fandinihana azy…

26/08/2019

Mijanona ho adihevitra ary azo vinavinaina fa ho lavitra ny lalàna momba ny fanoherana eto Madagasikara.

 

 

Nahemotry ny Antenimierandoholona ny fandaniana ny tolo-dalàna PL 01-2019 momba ny ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny fanoherana. Hita taratra tao anaty adihevitra ny zoma lasa teo  fa nanana fikasana hanova teboka maro ao anatin’io tolo-dalàna io ny loholona. Antony fangatahana fotoana amin`ny fandaniana izany. Nilaza ny filohan`ny antenimierandoholona fa tsy mety lany adilahy politika ny adihevitra androany (ndlr: zoma 23 aogositra) satria na tsy mitovy hevitra aza dia nanamarika fa fitiavan-tanindrazana tena hanana ny tsara no nihaonana teto amin`ny antenimierandoholona. Nahemotra amin`ny fivoriana manaraka ny fandinihan`ireo loholona ilay lalàna nasaim-panitsiana ilay lalàna mifehy mpanohitra araka tamin`ny fivoriana afaka ny besinimaro natrehina. Fohy ilay fotoana ahafahana mandinika ilay tolo-dalàna, hoy i Rivo Rakotovao. Azo ambara, hoy izy, fa amin`ny adihevitra manaraka dia  mila manamafy na amin`ny lalàna na ihany koa amin`ny fiarahamonina. Mila jerena ny fampiridirana ny loholona amin`ny rafitry ny fanoherana, hoy ny filoha Rivo Rakotovao. Iankinan`ny fiainam-pirenena ity lalàna ka tsy tokony hatao vonjitavanandro. Ilaina fakan-kevitra maro sady porofo ho fitiavan-tanindrazana no antony hanemorana izy ireo izany amin`ny manaraka, hoy hatrany ny fanazavana.  Etsy an-kilany, nisy fakan-kevitra nalaina tamin`ireo mpanao politiika mpanohitra ivelan`ny parlemanta sy olom-pirenena izay anisan`ny notaterina tamin`ny fivoriana izay saika handanian`ny loholona ity tolo-dalàna ity ihany koa. Teboka maromaro no mbola mila fanamarihana fa tsy maintsy hiadian-kevitra toy ny mpanohitra ivelan`ny parlemanta izay tsy mahazo toerana ao anatin`ity tolo-dalàna ity. Midika izany fa mbola hiverina eny amin`ny antenimieram-pirenena ny fandinihana izany. Ankoatra izay, hisy tolo-dalàna avy amin`ny antenimierandoholona amin`ny fampidirana azy ao anatin`ny rafitry ny mpanohitra. Andrasana ao anaty fivoriana ara-potoana amin`ny volana oktobra ny fandinihana ny momba ny satan’ny mpanohitra raha toa ka tsy misy ny fiantsoana ny fivoriana tsy ara-potoana hafa. Ireo antoko mpanohitra sy fiarahamonim-pirenena no efa nohenoin`ireo vaomiera feo nandritra ny asam-baomiera nandinihana ilay tolo-dalàna momba ny fanoherana.  

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana