Dans la mme rubrique

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

16/09/2019

Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

16/09/2019

Miisa 6 129 ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben`ny tanàna voarain`ny CENI. Nahitana kandidà avokoa ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy.

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

16/09/2019

Hita taratra amin’izao filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao ny tsy fahatokisana intsony ny hisian’ny lalao madio.

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

16/09/2019

Amin ny talata 24 septambra ho avy izao ny lisitra ofisialy avy amin’ny CENI. Ny tatitra ofisialy no hahafantarana ny isan`ny kandidà narotsaky ny antoko, tsy miankina, lehilahy sy vavy, ny andraikitriny avy.

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

Hamaky ny tohiny...

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

16/09/2019

Mandeha ny kajikajy politika amin’ny resaka fifidianana ben’ny tanàna izay hatao tsy ho ela.

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

16/09/2019

Hitondra ny anjara birikiny ao amin’ny kaominina Arivonimamo, ny kandida Rarija Rajo Tsiferantsoa, izay nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC tao Arivonimamo, ny zoma lasa teo

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

 

Nanao toy izany koa ireo fikambanana avy ao Fenerivo atsinanana tamin’ny fametrahana ny governemanta farany teo, noho izy ireo nampiseho fitia tamin’ny filoha ka miandry ny valim-pitia avy taminy nefa lasa rano an-damosin’ny gana ny zava-nisy. Noho izany dia manomboka mampiaka-peo sy mivoaka amin’ny fahanginany ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana ao Toamasina ireo. Ireo eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany, ny fadintseranana, ny sampandraharaha ny hetra, …ary ny sampandraharaha ny tetibolam-panjakana no tena efa re mitroatra amin’izao. Mahita izy ireo fa tena anjorom-bala foana tato ho ato izay, nefa misy ihany ireo nianatra tamin’ireo sekoly ambony mpanofana ny mpiasam-panjakana taorian’ny fifaninanana natao ; ary eo ireo efa manana traikefa manokana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ohatra velona fanaovana anjorom-bala ny zanaky ny faritanin’i Toamasina ny zava-nisy nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny 14 aogositra 2019, izay ny zanaky ny faritra sy ny faritany avokoa no notendren’ny filan-kevitry ny minisitra hiasa sy hampandroso ny faritra sy ny faritany niaviany avy, afa-tsy ny zanaky Toamasina ihany. Ny fampandrosoana isam-paritra anefa dia miainga amin’ny fanandraisan’andraikitry ny zanaky ny faritra sy ny faritany niaviany avy. Amin’izao anefa ilay sehatra ahafahana mandray fanapahan-kevitra ara-panjakana mihitsy no esorina amin’ny zanaky Toamasina avokoa. Efa mikasa ny hampihatra ny fijitsaram-paritra tena izy raha teo ny fanjakana malagasy, ho avy koa ny fametrahana ny governora ka takian’izy ireo ny fametrahana ny zanaky Toamasina hisahana izany andraikitra izany raha tonga ny fametrahana izany. Eo koa ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny sampandraharahan’ny hetra izay mitaky ny fametrahana ny lehiben’ny foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra , sy ny rantsa-mangaikany amin’izao, ho zanaky ny faritra no hapetraka amin’izany.

 

Rakoutou

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana