Dans la męme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nahazo fahafahana vonjimaika

19/02/2020

Tonga namaly ny antson’ny Fampanoavana amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy i Ny Rado Rafalimanana, filohan'ny ONG Fanahy no Maha Olona,

Ny Rado Rafalimanana Nahazo fahafahana vonjimaika

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Ramakavelo Désiré Nanao famelabelaran-kevitra tany am-ponja

19/02/2020

Notontosaina omaly teny amin'ny fonjaben'Antanimora ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, notarihin'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré ;

Jeneraly Ramakavelo Désiré Nanao famelabelaran-kevitra tany am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fihantsian’i Emmanuel Macron “Tokony hampiantso ny ambasadaoro frantsay ny mpitondra Malagasy.”

19/02/2020

Fihantsiana na “incident diplomatique” no nataon’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo,

Fihantsian’i Emmanuel Macron “Tokony hampiantso ny ambasadaoro frantsay ny mpitondra Malagasy.”

Hamaky ny tohiny...

Toavina Ralambomahay “Mila manana antoko vao mitondra firenena”

19/02/2020

« Ao anatin`ny efa-taona manaraka dia mila manokana vola mitentina 17,4 miliara dolara ny fanjakana Malagasy.

Toavina Ralambomahay “Mila manana antoko vao mitondra firenena”

Hamaky ny tohiny...

Lohamasinina nampanantenain-dRajoelina Mihemotra fanintelony ny fahatongavany

19/02/2020

Nambara fa mialoha ny faran’ny taona 2019 no ho tonga ny lohamasinina roa ho an’ny zotra FCE.

Lohamasinina nampanantenain-dRajoelina Mihemotra fanintelony ny fahatongavany

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Hohalavaina 20 andro ny fe-potoana hanamarinana anarana

19/02/2020

Ny 01 desambra 2019 no nisokatra ny lisi-pifidianana ka ny 15 febroary lasa teo no fe-potoana farany hanamarinana izany.

Lisi-pifidianana Hohalavaina 20 andro ny fe-potoana hanamarinana anarana

Hamaky ny tohiny...

Hentitra ny ben’ny tanàna Tsy maintsy diovina Antananarivo

19/02/2020

Miantso ireo manan-trano sy mpanofa rehetra eo amin’ny « avenue de l’indépendance » hanavao ny lokon’ny tranony.

Hentitra ny ben’ny tanàna Tsy maintsy diovina Antananarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas Hampatsiahy ireo velirano mba hivadika ho asa tokoa

22/08/2019

Ny filoha lefitry ny anteminieram-pirenena Malagasy Faritany Toliara, Jean Jacques Rabenirina, notronin'ny solombavambahoakan’i Madagasikara

 

 

voafidy tao Vohipeno no nisolotena an-dRtoa filohan’ny antenimieram-pirenena nametraka ny samboadin’ny depiote Randrinasolo Jean Nicolas voafidy tao amin’ny distrikan’i Betroka,  araka ny didim-pitsarana laharana faha 45-HCC/AR tamin'ny 2 jolay 2019  namoahana ny voka-pifidianana ofisialy ny fifidianana natao tamin’ny 27 mey 2019. Tao amin’ny toerana atao hoe :  “Place Iakora” ao Betroka tampon-tanàna no nanaovana ny lanonana nanasan’Atoa depiote Nicolas mivady ny havana aman-tsakaiza sy ny vahoakan’i Betroka avy amin’ny kaominina 22 any an-toerana  tamin’ny 14 aogositra 2019 lasa teo.

Ankoatra ny fisaorany ny vahoakan’i Betroka mbola namerina ny fitokisana amin’ny tenany indray dia nampanantena ny depiote Nicolas fa vonona hampahatsiahy hatrany amin’ny filoha Andry Rajoelina ny velirano nataony tany Betroka ny hanatsarana ny tampon-tanànan’i Betroka sy ny hanamboarany ny lalam-pirenena faha-13 … Nambarany tamin’ireo vahoaka tonga nihaino azy koa fa izy dia tsy ho depiote hanohitra be fahatany ny fitondram-panjakana fa hampahatsiahy mandrakariva kosa  ny fampanantenana natao tamin’ny fampielezan-kevitra. Ny tenako koa, hoy izy, dia tsy ho depiote  ho mpanangan-tanana fotsiny  sanatria ao anivon’ny antenimieram-pirenena ao Tsimbazaza fa hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka mandrakariva.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana