Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

22/08/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpitandro filaminana nisahana ny fanadihadiana miady amin’ny heloka bevava ao Toamasina omaly.

 

 

 «Hatreto aloha dia tsy nahitana porofo velively mahakasika ilay fahitana karandohan’olona teto  Toamasina.» Io no vaovao ofisialy nampitain’ny zandary nandritra ny tafa manokana tamin’ny mpanao gazetinay omaly atoandro. Izay ihany aloha no vaovao azo ampitaina fa ho hita eo ny fivoaran’ny toe-draharaha sy ny famotorana, hoy hatrany ny loharanom-baovao izay nanankinan’ny mpitandro filaminana rehetra any an-toerana ny fikarohana ny marina mahakasika ity raharaha ity.

Midika izao fa miendrika fitondrana filaminan-tsaina sy fitoniana ho an’ny mponina ao amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana. Mbola tsy nanome fanampim-baovao kosa ny mpitandro filaminana mahakasika ny tohin’ny fepetra raisina mahakasika ireo tompon-trano izay navotana noho ny firohotan’ny vahoaka manoloana ny heverina fa tsaho ka saika namparomotra ireo mponina. Andrasana ihany koa ny tohin’ny fandraisana andraikitr’ireo manampahefana mahakasika ilay tovovavy 21 taona izay namoaka izao vaovao izao. Noho ny fikatsahana ny tombontsoan’ny besinimaro sy isorohana ny korontana hatrany, mbola samy tsy nisy naharenesam-peo ny mpitandro filaminana mahakasika ireo sokajin’olona ireo.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana