Dans la mme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

 

 

 

Tsy latsaky ny 10 ireo naratra ka nalefa eo amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka sy HJRA ireo naratra raha ny fampitam-baovao teny an-toerana. Ankoatra ireo naratra sy vaky loha dia misy ireo tapa-tanana sy tongotra ary folaka. Nanamafy kosa ireo polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana eo Tsaralalana raha nitafa manokana tamin’ny mpanao gazetinay fa tsy nisy ny aina nafoy. Vokatry ny tandrevaky ny mpamily roa tonta izay samy nirifatra mafy no nahatonga izao patsa iray tsy omby vava izao raha ny fitantaran’ny manodidina. Nitohana vokatr’izany ny fifamoivoizana tamin’iny faritra iny nandritra ny ora maro.

Mampamiromiro ny mpandeha ny hafainganam-pandehan’ireo fiarakodia mpitatitr’olona amin’ireo lalambe mikodana eto an-drenivohitra, tsy eny amin’ny digy ihany fa hatreny By-pass. Ireo mpitatitr’olona amin’ny ora tsy iasan’ny mpitandro filaminana tahaka ny  alina izay efa nahitana fisavan’ny fitohanana manomboka amin’ny 7 ora sy sasany ary ny faran’ny herinandro moa efa tsy lazaina intsony. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro koa ny fahazoan-dalan’ny mpamily maro izay tsy manaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana tahaka ny fetran’ny hafainganam-pandeha anaty tanàna. Anisan’ny fototry ny loza toy izao koa ny fifanenjehana amin’ny samy taksibe.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana