Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Hidoboka raha tsy misy mpanohana…

18/02/2020

Hiverina eny amin’ny fampanoavana anio Atoa Ny Rado Rafalimanana rehefa teny amin’ny Toby Ratsimandrava omaly maraina.

Ny Rado Rafalimanana Hidoboka raha tsy misy mpanohana…

Hamaky ny tohiny...

Iles Eparses Nanenjana indray ny filoha Frantsay

18/02/2020

Nohamafisin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron ny 13 febroary lasa teo ny hanaovany ho faritra voajanahary harovana (réserve naturelle)

Iles Eparses Nanenjana indray ny filoha Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Mijanona ho soratra sy boky aloha hatreto

18/02/2020

Vita tanteraka tamin`ny herinandro lasa teo iny ny fandrafetana ny “plan Emergence Madagascar” (PEM) ka andrasana ny fampahafantarana izany amin`ny fomba ofisialy.

Plan Emergence Madagascar Mijanona ho soratra sy boky aloha hatreto

Hamaky ny tohiny...

Sefo fokontany Mba tsy ho fitaovana politika intsony…

17/02/2020

Araka ny lalàna mifehy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia telo volana aorian`ny fandraisan`ny ben`ny tanàna ny andraikiny ka tokony hiroso amin`ny fanendrena ny sefom-pokontany izy atsy ho atsy.

Sefo fokontany Mba tsy ho fitaovana politika intsony…

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny fampihavanana Malagasy Miisa 4 no nahazo famotsoran-keloka tamin’ny 2019

17/02/2020

Araka ny lalàna lah. 2016-037 tamin`ny 02 febroary 2017 dia anisan` ny fahefana omena ho an`ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) ny famotsoran-keloka.

Filankevitry ny fampihavanana Malagasy Miisa 4 no nahazo famotsoran-keloka tamin’ny 2019

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana sy gaboraraka Tsy afaka hiaraka mandrakizay

14/02/2020

Adihevitra tsy hifankahitana indray no ateraky ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fiadidian’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny fanapahan-kevitra nanaisotra ireo mpivarotra amoron-dalana ho an’ny tombontsoan’ny rehetra.

Fampandrosoana sy gaboraraka Tsy afaka hiaraka mandrakizay

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Tangalamena “Aleo hataonay ny fampihavanam-pirenena”

14/02/2020

Mbola mitombina ny fanaovana fampihavanam-pirenena araka ny fomba maha Malagasy, hoy ny fikambanan’ny Tangalamena eto Madagasikara.

Fikambanan’ny Tangalamena “Aleo hataonay ny fampihavanam-pirenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida ho ben’ny tanàna Tsy maintsy nahaloa hetra ara-dalàna

22/08/2019

Voafaritra ao anatin’ny didim-panjakana laharana 2019-1541 tamin’ny 14 aogositra lasa mikasika ny fepetra mila fenoin’ireo kandida ny fanamarina fa nandoa hetra ara-dalàna.

 

 

 Mahakasika ireo hetra sy haba tokony haloa eny amin’ny sampandraharahan’ny hetra na ny GGI io. Noho izany dia misy ny fangatahana ataon’ireo kandida izay tokony hahitana ny asa na andraikitra sahanin’izy ireo, izay hapetraka eny amin’ireo ivon-ketra mahazatra azy ho an’ireo manana ny laharam-pamantarana (NIF), eny amin’ny ivon-ketra akaikin’ny toeram-ponenany ho an’ny hafa. Ho  an’ireo kandida manana NIF, dia antontan-taratasy ilaina ny karatra maha mpandoa hetra ara-dalàna. Ho an’ireo mpiasa miasa amin’ny fanjakana sy ny toa azy, dia mila aseho ny taratarasy fanamarinana ny karama tao anatin’ny telo volana farany. Raha miasa amin’ny orinasa tsy miankina dia tsy maintsy manana taratasy fanamarinana avy amin’ny mpampiasa fa efa nalaina ifotony ny hetra IRSA, ary efa voaloa teny amin’ny ivon-ketra misahana izany; ho an’ireo manana asa tsy voafaritra mazava na ireo olona tsy an’asa, dia mandoa ny hetra farany ambany amin’ny “Hetra Tambatra” mitentina 16000Ar ho an’ny telo taona farany. Ho an’ireo kandida mipetraka amin’ny toerana (Distrika) tsy misy biraon-ketra, dia mila manatona ny ivon-ketra akaiky azy indrindra.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana