Dans la mme rubrique

Kere any Atsimon’ny Nosy Andrasana ny vahaolana maharitra

24/02/2020

Nitsidika ny kaominina Maroalomainty sy Maroalompoty, distrikan’Ambovombe sy kaominina Sampona, distrikan'Amboasary Atsimo,

Kere any Atsimon’ny Nosy Andrasana ny vahaolana maharitra

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa Marary mafy

24/02/2020

Marary mafy i Tabera Randriamanantsoa amin’izao fotoana izao, raha ny fampahafantarana sy ny antso avo ataon’ny fianakaviany.

Tabera Randriamanantsoa Marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Famerenan-danja ny vaky boky Tafiditra ao anatin’ny «fanekem-pandaharan’asa»

20/02/2020

Anisan’ireo fifanekem-pandaharan’asa (contrat programme) nataon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina tamin’ny filoham-pirenena ny famerenana ny vaky boky any an-dakilasy.

Famerenan-danja ny vaky boky Tafiditra ao anatin’ny «fanekem-pandaharan’asa»

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny haino aman-jery Onjam-peo maro no mety hakaton’ny fanjakana

20/02/2020

Nesorina tamin’ny toerany araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra natao ny 13 febroary lasa teo ny tale misahana ny “Regulation des Medias”

Tontolon’ny haino aman-jery Onjam-peo maro no mety hakaton’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana sy Fanabeazam-pirenena Voatendry ireo sekretera jeneraly vaovao

20/02/2020

Mpiasam-panjakana ambony miisa 2 izay heverina fa hitazona toerana tena saropady eto amin’ny firenena no voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 19 febroary.

Fitsarana sy Fanabeazam-pirenena Voatendry ireo sekretera jeneraly vaovao

Hamaky ny tohiny...

Paraky-Soanierana Maloto sy maimbo tanteraka ny tanàna

20/02/2020

Miantso ny tompon’andraikitra rehetra eto an-tanàna mba hijery akaky ny fako etsy amin’ny Paraky Soanierana fa efa tsy rariny intsony.

Paraky-Soanierana Maloto sy maimbo tanteraka ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny CNAPMAD Hatramin’izao tsy azo ny karama janoary

19/02/2020

Mitaraina ho tsy mbola nahazo karama volana janoary ny mpiasa amin’izao fotoana. « Very fanahy mbola velona izahay mpiasa ato amin’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériel Didactique),

Mpiasan’ny CNAPMAD Hatramin’izao tsy azo ny karama janoary

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

22/08/2019

Hita tamina gazety mpiseho isan’andro iray omaly alarobia 21 aogositra ny antso tolo-bidy misokatra amina tsenan’asam-panjakana (Appel d’offre ouvert) mitondra ny laharana 003-DRAHTP/SRTP/BOENY/CP18/FER.2019.

 

 

 Mahakasika asa fikojakojana any amin’ny SRTP Boeny izy io, izay iandraiketan’ny fiadidiam-paritry ny fanajariana ny tany ary ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy ao Boeny . Izay kandida, izany hoe ny orinasa liana amin’io tolotra io, dia tsy maintsy mandrotsa-bola 60 000Ar amina kaonty iray amin’ny banky amin’ny anarana « Fer Recettes Mahajanga », ka misy ny fanamarinana na « quittance » avy amin’ny sampandraharaha mpanara-maso ny tsenan’asam-panjakana (ARMP) rehefa manolotra ny taratasy nandrotsahana ny vola na aloa mivantana amin’ny Commission Régionale des Marchés (CRM) any Mahajanga. Mazava ho azy fa vola tsy miverina io arotsaka amin’ny kaontin’ny FER (Fonds d’Entretien Routier) na Tahiry fikojakojana ny lalana  io na lany hanao ilay asa na tsia tahaka ireny saram-pandraisana anjara amin’ny fifaninanana ireny. Ny 20 jona 2019 lasa teo anefa no nisy taratasy mitondra ny laharana 245-PRM/SG/DEJ avy amin’ny filoham-pirenena nankany amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) handinika raha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny didy hitsivolana n° 2019-012 sy n°2019-13 manafoana ny FER ka hananganana ny “Autorité Routière”. Nivoaka ny 5 jolay 2019 ny didin’ny HCC n°13-HCC/D3 nankato ny fangatahan’ny filoham-pirenena. Angaha tsy efa foana indray ny FER no mbola voaresaka amina tsenan’asam-panjakana misy fakana vola aman’olona te hahazo tsenan’asa ? Aiza ho aiza ny fahamatoran’ny fanjakana sy ny lanjan’ny fanapahan-kevitra goavana ara-panjakana amin’izao toe-javatra izao ? Porofo iray mivaingana maneho ny karazana aferafera maizina na tsy fahamatoran’ny fitondram-panjakana ankehitriny io, ka asa izay ho fanazavana izao toe-javatra izao.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana