Dans la mme rubrique

Fanoheran’ny olona ny orinasa Tozzy Green Ahiana ny fifandonana ao Ambatolahy Ihorombe

24/02/2020

Nanao fivoriam-be ny vahoaka tao amin’ny kaominina Ambatolahy, any amin’ny faritra Ihorombe ny faran’ny herinandro teo.

Fanoheran’ny olona ny orinasa Tozzy Green Ahiana ny fifandonana ao Ambatolahy Ihorombe

Hamaky ny tohiny...

Trano lehibe iray ao Ambodivoanjo-Ivandry Mivarina any amin’ny mpifanila vodirindrina ny rano malotony

24/02/2020

Mibosesika any an-tanànan’ny mpifanila vodirindrina aminy ny rano maloto avy amin’ny tanàna lehibe iray ahitana tranobe misy rihana maromaro ahofa eny Ambodivoanjo-Ivandry.

Trano lehibe iray ao Ambodivoanjo-Ivandry Mivarina any amin’ny mpifanila vodirindrina ny rano malotony

Hamaky ny tohiny...

NOSY BE HELL VILLE ZAZA 10 TAONA SAIKA HALAINA AN-KERINY

24/02/2020

Zazalahy 10 taona no nokasain'ny tovolahy 16 taona ho alaina an-keriny saingy tratran'ny fokonolona tao Belazalaza, fkt Dar-Es-Salam Cr Djamandjar dist Nosy be Hell-ville, ny alin'ny 21 febroary 2020.

NOSY BE HELL VILLE ZAZA 10 TAONA SAIKA HALAINA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...

Olan’ny Fanabeazana eto Madagasikara Misintona lakolosy ny PASEM

21/02/2020

Nanao fanambarana sy antso tetsy amin’ny Complexe Ampefiloha omaly ny eo anivon’ny fiaraha-mientan’ny fikambanana sy sendikan’ny fanabeazana eto Madagasikara na PASEM fa

Ankadifotsy Tratra ilay ray nanolana ny zanany vavy

21/02/2020

Lehilahy iray, 37 taona no voasambotry ny polisy teny Ankadifotsy omaly alakamisy noho ny resaka fanolanana.

Ankadifotsy Tratra ilay ray nanolana ny zanany vavy

Hamaky ny tohiny...

RN2 sy RN 44 Tsy misy firy intsony ny fanafihana

21/02/2020

Nahafa-po ny valin'ny tomban'ezaka vita tamin'ny hetsika natao ho fiarovana ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-44 ao anatin'ny Faritra Alaotra Mangoro nandritra ny faran'ny taona 2019

RN2 sy RN 44 Tsy misy firy intsony ny fanafihana

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Lozam-pifamoivoizana Andranovelona RN 4 Anio maraina no halevina ny Mompera Jean de Lacroix

21/08/2019

Anio alarobia 21 aogositra amin’ny 9 ora maraina eny Andohalo ny lamesa fandevenana an’i Mopera Jean de Lacroix Ramaroson izay matin’ny lozam-pifamoivoizana. Hafenina eny amin’ny fasan’ny Misionera eny Ambohipo izy avy eo.

Nihenjana tampoka ny hozatr’i Mompera Jean de Lacroix  teny ambony môtô ka nivarina tany an-kady, Andranovelona, lalam-pirenena fahefatra izy. Notsindrian’io kodiaran-droa io tao anaty hantsana izy, ny harivan’ny sabotsy teo tamin’ny 7ora sy sasany, raha ho any Ambohidratrimo toeram-piasany. Mpamily kamio  nandalo no nahatsikaritra jiro tao anaty hantsana. Niantso ny fokonolona teny amin’ny manodidina izy sy ny mpanampy azy. Avy eo, nampilaza ny mpitandro filaminana izy ireo. Mbola nisy aina nitampify tao amin’ny niharan-doza ka nentina teny amin’ny hopitaly Bejofo Mahitsy. Noho ny dona nahazo azy anefa, tsy tana ny ain’ity pretra avy amin’ny fiangonana Masindray Ambohimiadana ity.

Ambavaloza

Araka ny fampitam-baovao hatrany, efa niharan’ny lozam-pifamoivoizana taona vitsy lasa ity mpitondra fivavahana ity. Saika nivarina tao Tsimanatimindrana, Ambavaloza antampontanànan’Andramasina, ny fiara nentiny izay simba tampoka, taona vitsy lasa izay. Efa nitondra fiangonana tany Antanetibe Anativolo, Imerinafovoany, Isotry, FTMTK Ambohipo, Ambatolampy, Andohalo Ambavahadimitafo ary teny Ambohidratrimo izy izao nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-13 taona naha-pretra azy izao.

Haja Nirina

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana