Dans la mme rubrique

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Telo mianaka niharan-doza, maty ny roa

03/12/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahery vaika indray tao Andranonahoatra-Antsirabe ny alahady 01 desambra 2019 lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro nahery kely.

Antsirabe Telo mianaka niharan-doza, maty ny roa

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa «QUICK WIN» Antananarivo Hampikorisa ny fitaterana ankatoky ny fety ny polisy

03/12/2019

Tonga nihaona tamin’ny mpanao gazety izay notanterahina teo Analakely,

Tetikasa «QUICK WIN» Antananarivo Hampikorisa ny fitaterana ankatoky ny fety ny polisy

Hamaky ny tohiny...

Ambovombe Androy sy Amboasary Atsimo Nampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana

03/12/2019

Noraisin’ny Fiadidian’ny Zandary ny fepetra ifehezana ny sisin-tany ifandraisan'ny distrikan'Ambovombe amin'ny distrikan'Amboasary Atsimo, izay kizo ivezivezen’ny omby halatra hifanakalozan’ireo distrika ireo.

Ambovombe Androy sy Amboasary Atsimo Nampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

21/08/2019

Ny iray tamin’ireo jiolahy efatra izay nandratra azy telo mianaka tao Ambondromamy no efa tra-tehaka, raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambondromamy.

 

 

 

 Ny tafa manokana nifanaovana tamin’ireto farany no nahafantarana fa tsy misy ahiana hatreto ny ain’ilay fianakaviana. Nentina nihazo fitsaboana any amin’ny hopitaliben’i Mahanjanga avy hatrany mantsy izy ireo raha vantany vao niharan-doza.

Vatan-kazo sy vato no nivelesan’ireo dahalo sy nitorahany ny lohan’ireo mpianakavy kely monina eo Tsenavao, fokontany sy kaominina Ambondromamy. Somary mitokana eny amin’ny faritra avaratra Ambondromamy no mipetraka izy ireo ka izao nohararaotin’ny tsy mataho-tody izao ny alin’ny sabotsy teo tamin’ny 8 ora. Raha ny loharanom-baovao any an-toerana, samy vaky loha avokoa izy telo mianaka ka nandriaka ny ra fa kelikely ny an’ilay renim-pianakaviana sy ilay zazakely. Ny raim-pianakaviana no voa mafy.

Vola be

Voalaza fa handroba vola no anton-dian’ireo jiolahy saingy tsy voafaritra izany hatreto na dia betsaka aza noho ny mpitandro filaminana mbola miandry ireo lasibatra ho sitrana vao hanadihady. Ny famotorana ilay jiolahy iray tratra no hamaritra ny tohiny.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana