Dans la mme rubrique

Fitaterana eto Antananarivo Fiara miisa 133 naiditra « fourrière »

11/02/2020

Nisy ny fitsirihana tampoka « Opération contrôle inopiné » nataon’ny DGSR (Diréction Générale de la Sécurité Routière) teto Antananarivo sy ny manodidina ny 3-9 febroary 2020.

Fitaterana eto Antananarivo Fiara miisa 133 naiditra « fourrière »

Hamaky ny tohiny...

Fitateram-bahoaka Tsy manaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana

21/01/2020

Ny taksbe dia tsy misy manaja fifamoivoizana sy manaraka ny fitsipika mifehy azy.

Fitateram-bahoaka Tsy manaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny...

Lalana eto Antananarivo Tsy mandeha amin’ny laoniny

21/01/2020

Ny kaominina sy ny mpitandro filaminana dia hita miasa eny rehetra eny fa ny fotodrafitrasa no tsy maharaka.

Lalana eto Antananarivo Tsy mandeha amin’ny laoniny

Hamaky ny tohiny...

Moto-Scooter-Sarety Samy manao izay saim-pantany

21/01/2020

Ny bisikileta, ny « scooter » ary ny sarety sy ny posy koa dia samy manao izay saim-patany amin’ny fifamoivoizana.

Moto-Scooter-Sarety Samy manao izay saim-pantany

Hamaky ny tohiny...

Oram-be mikija Tapaka ny RN 13, mitoka-monina i Betroka

17/01/2020

Vokatry ny oram-be nikija any an-toerana dia miato ny fifamoivoizana amin`ny RN 13 izay mandalo any Betroka noho ny fikaohan-driaka ny arabe hiditra amin’ny tanànan`i Betroka ka lasa lavaka be.

Oram-be mikija Tapaka ny RN 13, mitoka-monina i Betroka

Hamaky ny tohiny...

Gare routière Fisandratana « Tsy mbola mahafeno ny fepetra », hoy ny ATT

14/01/2020

Tsy tontosa indray ny famindrana ireo fiara mpitatitra na taksibrosy miantsona eny amin’ ny Fasan’ny karana ho eny Ambohimanambola.

Gare routière Fisandratana « Tsy mbola mahafeno ny fepetra », hoy ny ATT

Hamaky ny tohiny...

Taksibrosy - Fasan’ny karana Tsy hafindra eny Ambohimangakely indray aloha

13/01/2020

Nihemotra tamin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny indray ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny

Taksibrosy - Fasan’ny karana Tsy hafindra eny Ambohimangakely indray aloha

Hamaky ny tohiny...


Fifamoivoizana

Fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra Haharitra 30 taona ary azo antoka amin’ny fahavaratra

21/08/2019

Azo antoka na “garanti”ny lalana izay amboarina eto Antananarivo Renivohitra ary haharitra 30 taona izany.

 

 

 

 

 Eo amin’ny 10 volana kosa ny faharetan’ny fanamboarana, raha nanomboka ny volana jolay 2019 izany ary vinavinaina ho vita any amin’ny taona 2020, hoy ny talen’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny fananjariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, Atoa Rahaingoson Harifidy.

 

Mizara roa ny fanamboarana

Nambarany fa mizara roa ny fanamboaran-dalana, dia ny « voie prairie urbaine » sy « projet de rue de Tana ».  Ny « voie prairie urbaine » dia vatsian’ny « Banque Investisseur Europeanne » na BIE vola ary nisy ny fifanaovan-tsonia.  Ny volana martsa 2019 no efa nanomboka ny ara-teknika.  Nambarany fa ny RN2 sy RN3, izay miala eo amin’ny PK0 ny fanamboarana dia mandalo Antanimena, Ankadifotsy, Antaninandro, Andravoahangy, Besarety ary mivoaka any amin’ny RN2. Ny RN1 sy RN1S, mialà eo Petite Vitesse, Anosy, Anosibe, Anosizato, Ampitatafika, Antanimenakely, Andranonahoatra ary mivoaka any Ampasika. Ny RN7, izay miainga eo amin’ny PK0, mandalo Anosy, Ankadimbahoaka, Andoharanofotsy, Mandriamena ary ny RN4, miainga eo amin’ny PK zero, mandalo Andraharo, Ambohimanarina, Ambohibao, Imerinafovoany ary Ankazobe  ny fanamboaran-dalana. Ny minisitera no tompon’antoka amin’ny fanamboarana fa ny kaominina manodidina kosa no manamora ny fanatanterahana ny asa. Fanavaozana vaovao tanteraka no atao amin’ireo lalana ireo ary hovitaina amin’ny faran’ny volana aogositra ity.

Lalana simba sy misy lavaka

Ny “Projet de Rue de Tana” indray, dia ireo izay misy lavaka sy simba no hanaovana ny fanamboarana eto Antananarivo Renivohitra ary tapenana mba haharitra amin’ny alalan’ny “couche” telo, ka ny fototra dia mirefy 10 ka hatramin’ny 15 sm arahin’ny “gravibutine” ahitana vatokely, rano,  tara na godorao ary ny “couche arose” izay mirefy 10 ka hatramin’ny 15 sm koa. Orinasa efatra no manao ny asa sy manome antoka amin’izany. Farany, ny lalana ho an’i Papa na “Route de Papa”, izay miainga eny Tsarasaotra, La City Ivandry.  Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa io. Miainga eny Androhibe, Soamandrakizay, Ambanidia, Tsiadana, Andohalo, ireo lalana izay handalovan’i Papa François ary hovitaina amin’ny faran’ity volana aogositra ity. Ho vita tsy ho ela ihany koa ny  eny Antsofinondry, izay mirefy iray kilometatra. Marihana fa ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra, dia tetibolan’ny minisitera manokana, hoy hatrany ity talen’ny serasera ity.

Sitraka r.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana