Dans la mme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

20/08/2019

Niaro ny tenany sy ny fananany ny vahoaka. Nandiso ny vaovao niely, omaly, mahakasika ny fitsaram-bahoaka tany Tsarabia, Vohémar ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nilaza ireto farany fa fiarovan-tenan’ny mponina no tena marina na “légitime defense”.

 

 Nitondra fitaovam-piadiana nikasa hanafika tanàna ireto jiolahy 8 lahy ka ny enina nifanehitra tamin’ny mponina maty tsy tra-drano fa ny roa tafaporitsaka. Ireto farany mbola nenjehina ary efa tratran'ireo fokonolona ka tsy mbola fantatra izay niafarany amin’ny fotoana nanoratana ny vaovao.

Nitondra basy mahery vaika

Basy mahery vaika sy zava-maranitra no norongoin’ireto malaso ireto. Nahitana basy poleta na pistolet 9mm iray efa voafahana bala,  basy pistolet vita gasy iray, fanafody gasy miaraka amin’ny fonosana rongony, “cola valium” na “ody mampandry” iray fonosana mbola  vaovao, antsy sy hety. Tratran’ny fokonolona amin’ny be no ho ny vitsy ka izao niafara tamin’ny famoizana aina izao. Naharitra ora vitsy ny fifanjevoana tao amin’ny fokontany Antanamandririry,  kaominina Tsarabia, distrika Vohémar.

Halatra lavanila

Raha ny loharanom-baovao azo avy amin’ny mpanao gazety any an-toerana, nikasa hangalatra lavanila izy ireto ka izao nifanehitra tamin’ny mponina tany an-toerana izao izay niaro ny tenany sy ny fananany. Araka ny fampitam-baovao any an-toerana, efa tofoka tanteraka ny halatra lavanila ireo mpamboly ary drodroky ny andrimasom-pokonolona. Reraky ny asa ny atoandro nefa tsy matory na indray mi-pimaso aza ny alina nandritra ny volana vitsy. Araka ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana any an-toerana, hampitaina amin’ny fotoana mahamety azy eto ihany ny tohin’ny fanadihadiana ity fiarovantenan’ny vahoaka ity manoloana ny fanafihana tanàna notanterahin’ireto dahalo ireto.

Haja Nirina

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana